29 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity
tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany:

“Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly.
Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray.
Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe:

‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho
fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra,
tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza;
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho,
ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’

Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny
sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory,
fa nandona ny tratrany nanao hoe:

‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’

Lazaiko aminareo
fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony,
fa tsy ilay anankiray;
fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...