Alahady 26 aprily 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo ; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

0 : 00

Ny dian’ireo mpianatra roa lahy ho any Emaosy no tantarain’ny Evanjely eto taorian’ny fitsanganan’i Jesoa ho velona. Ireto mpianatra roa lahy izay mbola tsy nahafantatra tsara hoe iza marina i Jesoa ? satria dia tao anatin’ny alahelo sy hakiviana izy ireo izay nanantena fa ny atao hoe Mesia dia mpanavotra an’Israely. Ny mason’izy ireo ary moa dia voasakana ny tsy hahafantatra an’i Jesoa nefa dia niara-dalana sy nifampiresaka tamin’izy ireo.

Mila faharetana tokoa ary ny fahalalantsika an’i Jesoa. Mety mbola betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba Azy, ka mety ho tojo fisalasalana sy fahakiviana tahaka ireto mpianatra ho any Emaosy ireto.

Nampahafantarin’i Jesoa azy ireo teo am-pamakiana ny mofo ary ny tenany. Teo vao nisokatra ny mason’izy ireo fa ity olona izay niantrano tao amin’izy ireo ity dia ny Tompony ary efa nitsangan-ko velona. Ny Vaovao Mahafaly izay ny fitsanganan’i Jesoa ho velona dia fototry ny hafaliana.

Velona tokoa àry i Jesoa Tompo ary eo afovoantsika mpianany mandrakariva. Ny lalana izay nodiavin’ireto mpianatra tany Emaosy ireto dia mbola diavintsika ihany koa ankehitriny : eo am-pihainoana ny tenin’Andriamanitra sy ao anatin’ny fankalazana ny Eokaristia no halalantsika misimisy kokoa an’i Jesoa Tompo izay nandresy ny fahafatesana.

Tsy tian’Andriamanitra hijanona ao anatin’ny alahelo sy hakiviana isika. Ny faniriany dia ny hahasambatra antsika miaraka Aminy. I Jesoa izay tafatsangan-ko velona àry dia nanova ny fiainana sy ny fon’ireto mpianatra tany Emaosy. Ary ny antsika ? Afaka manova izany koa Izy rehefa manaiky ho tarihina tahaka ireo mpianatra ireo isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...