Alarobia 11 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30.
Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona hitsena Azy.

0 : 00

Amin'izao fiainana mafy sy sarotra izao, ao anatin'ny olana saro-bahana, ao antin'ny fijaliana mafaitra i Jesoa no miteny amintsika hoe "mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho". Tsy manery Izy amin'izany, isika no tompon-tsafidy na ho any aminy na tsia. Fa raha tsy mankany aminy ve, ho sahy hilonjotra irery izay mampijaly antsika? Ho zakantsika ve izany? Misy indray ny miteny hoe "efa nentiko teo aminy fa tsy hitako izay vahaolana narosony". Tsy mijanona hatreo anefa ny teniny fa nampiany hoe "Ento ny jiogako ary mianara amiko".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...