Alakamisy 14 mey 2020 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17 — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

0 : 00

Mankalaza an’i Masindahy Matiasy Apôstôly ny Eglizy amin’ity fa 14 mey ity, ka mampahatsiahy ireo fampianaran’i Kristy tamin’ny mpianany mba hijoroana ho vavolombelona amin’ny hatsaram-panahy rehetra entina manara-dia Azy. I Masindahy Matiasy tokoa mantsy araka ny tantara dia anisan’ny niaina sy nampiseho ireo hatsaram-panahy izay nanosika azy ho mpanara-dia sy ho mpianatr’i Kristy ary izany no antony naha-voafidy azy hisolo toerana an’i Jodasy mba hahafeno ny 12 lahy ho vato fototra iorenan’ny Fiangonan’i Kristy.

I Masindahy Matiasy na dia tsy anisan’ny 12 lahy nofidin’i Kristy mivantana aza dia anisan’ny niaina sy nanatanteraka ny didim-pitiavana napetrak’i Kristy teo am-panatanterahana ny iraka nantaony tany amin’ny faritanin’i Jodea. Nampiseho ny finoana izy, nazoto nampibebaka ihany koa ireo olona maro be ka moa ve tsy nahavokatra be tokoa noho ny fitoerany tao amin’ny fitiavan’i Kristy ?

Nahafoy ny ainy ihany koa anefa izy satria maty martiry tamin’ny taona 63 toy ireo Apôstôly namany, nahatontosa ny hafatr’i Kristy hoe : “tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany !”. Fakan-tahaka ho antsika àry i Masindahy Matiasy ho fanatanterahana ny hafatr’i Kristy eto satria efa antsoin’i Kristy hoe “Sakaiza” isika ary efa nofidiany sy notendreny noho ny batemy noraisintsika, koa meteza mba hampavokatra izany didim-pitiavana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...