Alahady 17 mey 2020 — Alahady fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-21 — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny tenikio, hoy ny Tompo, dia ho tian'ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

0 : 00

Tsy ho ela dia hankalaza ny "hiakaran’ny Tompo any an-danitra isika" ary hankalaza ny "nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly" na ny Pantekôty. Koa efa manatsidika izany sahady ny Evanjely nohenointsika teo. Etsy andaniny, i Jesoa nampanantena ny Fanahy Mpanafaka alahelo na ny Fanahy Masina amin’ireo mpianany ; etsy ankilany, ampahafantariny fa tsy hamela an’ireo ho kamboty Izy ary milaza mihitsy aza fa mbola hiverina.

Ny hanehoana fa tena tia an’i Jesoa ny mpianany dia raha mitandrina ny didiny ; tsy inona izany didy izany fa ny fifankatiavana araka ny teniny manao hoe : "Didy vaovao no omeko anareo dia ny hifankatiavanareo". Raha misy olona tiana tokoa dia tsy maintsy hajaina izay lazainy. Tsy mamela ho irery ny mpianany i Jesoa fa haniraka ny Fanahy Fahamarinana hankahery ireo mpianany ireo eo anatrehan’ny zava-tsarotra tsy maintsy holalovan’izy ireo. Hitoetra ao anatin’ny mpianatra io Fanahy io. Io Fanahin’ny Fahamarinana io no antsoina hoe Mpisolovava na koa Mpanolotsaina na Mpanala alahelo na koa hoe Mpiaro…

Fanomezan’Andriamanitra io ka tsy azon’iza na iza raisina raha tsy vonona handray Azy, dia ho an’izay manana toe-po sy toe-panahy misokatra amin’Andriamanitra ka izay mifikitra amin’izao tontolo izao tsy afaka handray Azy. Isika kristiana dia efa manana io Fanahy io nanomboka tamin’ny nanaovana Batemy antsika ka nahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay ; ho iray aina amin’i Kristy. Dia ny ety an-tany dia efa hita taratra fa manana Azy isika satria Izy no mampiombona antsika ao amin’ny Fiangonana. Izy no mahatonga antsika ho fahazavan’izao tontolo izao sy ho fanasin’ny tany araka izay irin’i Jesoa ny ho tokony fiainantsika. Antoka roa lehibe àry no mahatonga antsika ho fahazavan’izao tontolo izao sy ho fanasin’ny tany dia ny Fanahy Masina mitoetra ao anatintsika ary koa ny lazain’i Jesoa hoe : "Izaho ao anatin’ny Raiko, ianareo ato anatiko, ary Izaho ao anatinareo".

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...