Alatsinainy 25 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33 — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.

0 : 00

Ry kristianina Havana, toa maikamaika èry ny mpianatra naneho androany tamin’ny Evanjely fa manam-pinoana satria nahita ny nataon’i Jesoa sy ny fampianarany. Tsy afaka mitompo teny fantatra amin’izany anefa ireto mpianatra satria nasehon’i Jesoa azy ireo fa mbola misy ny fisedrana izany finoana izany. Roa no misongadina asehon’i Jesoa eto : hiparitaka na hitsoapahana rehefa sendra ny mafy ary hozoim-pahoriana. Itsy voalohany dia niseho tokoa tamin’ny fotoana nisamborana an’i Jesoa : nitsoaka sy niparitaka ny mpianatra ka i Jesoa irery sisa no teo. Ny faharoa dia ny fisehon’ny hazofijalian’ny tsirairay eo am-panarahana dia an’i Kristy. Misy foana ny sedra sy fijaliana tsy maintsy iaretana sy atrehana. Tsy tokony hanary toky anefa fa nampanantenain’i Jesoa ny fiadanana sy ny fandreseny.

Ho antsika ankehitriny : jereo fa maro ny mitsoaka an-daharana eo amin’ny fiainana kristianina raha sendra ny mafy. Hita amin’ny antontan’isa koa matetika fa raha misy olona 100 no vita Batemy, mety ho 10 any ho any no tonga hatramin’ny Fankaherezana. Tsy mahari-pery matetika ny kristianina ankehitriny. Betsaka no midodododo manatona ny Eglizy rehefa misy mahaory satria miandrandra fiadanana na vahaolana maikamaika. Mihena an-toerana anefa ireny rehefa heverina tsy misy valim-bavaka na heverina fa tsy nohenoin’Andriamanitra. Rehefa misy ny fitsapana, rehefa tonga ny fanenjehana tsy vitsy no kivy.

Isika àry no itenenan’i Kristy amin’ity andro ity fa na hozoim-pahoriana aza isika eto amin’izao tontolo izao dia mila manamafy ny finoana, mila mamelona ny fahatokisana fa “efa nandresy an’izao tontolo izao” i Kristy. Ary nampian’i Jesoa fa na ilaozana aza izy dia tsy irery tsy akory, fa raha maharitra manara-dia azy kosa isika ampanantenainy ny Fiadanany. Enga anie tsy ho finoana am-bava fotsiny ny finoantsika an’i Kristy fa ho finoana voasedra ka tsy hatahotra fitsapana ary ho lalana mizotra amin’ny Fandresen’i Kristy sy ny Fiadanany. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...