Sabotsy 14 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo. 
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13. 
Akaikiy ny andron'ny Tompo, indro izy fa avy hamonjy antsika.
I Jesoa nidina avy tany an-tendrombohitra dia maneho azy Andriamanitra, nidina naka ny fombantsika olombelona ety an-tany sady nilatsaka ambanintsika olombelona aza ka tonga mpanompo mba hanandratra antsika hitovy Aminy. Koa aza gaga isika raha tsy nahatakatra ny mpianany ka voatery nanontany.
 
                     
										 
										 
										 
						 
  
			 
			