Alatsinainy 08 jona 2020 — Masindahy Jacques Berthieu — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin'i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny fanahin'Andriamanitra.

0 : 00

Mankalaza an'i Masindahy Jacques Berthieu ny Fiangonana androany, ary mifandraika amin'izay indrindra ny Vaovao Mahafaly izay voasoratra aroso ho antsika. Raha niteny i Jesoa tamin'ny fanombohana ny Vaovao Mahafaly androany hoe : "Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia fantaro fa izaho no halany talohanareo". Azo lazaina fa tsy nivadi-belirano tamin'i Kristy i Masindahy Jacques Berthieu, nahatana ny teny nomeny izy, tenin-dehilahy ka tsy mivadi-pitokisana. "Tsy azo ekena velively izany", hoy ity olomasina. "Aleoko maty", hoy hatrany izy. Izany no teny nipololotra teo am-bavany, rehefa nampijalian'ny mpamono azy izy, ka noterena handà ny finoany an'Andriamanitra. Ny finoana tokoa no mahavonjy, ka niaretany hatramin'ny farany, na dia ny fijaliana aza. Fijaliana mangirifiry sy mihatra aman'aina, fa mandalo fotsiny ihany.

Ry havana, ireo pretra misiôneran'ny taonarivo fahatelo io no fakan-tahaka ho antsika mianakavy. Tsarovy àry, fa ny fiaretana ny fijaliana samihafa dia mbola handraisana valisoa mandrakizay any an-danitra any satria misy tambiny ny fijaliana. Fampanantenana lehibe ataon'Andriamanitra amintsika izany, araka ny tenin'ny ao amin'ny vakiteny voalohany izay aroson'ny Fiangonana ho antsika androany, izay nalaina tao amin'ny Bokin'ny Fahendrena hoe : "Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy : fa efa nozahan'Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika azy. Notsapainy toy ny volamena atao amin'ny memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary" (3, 5.6).

Ry kristianina havana, mbola betsaka ireo misiônera voaenjika sy ankahalaina, ary voatohintsohina noho ny fitoriana ny finoana sy ny Vaovao Mahafaly, indrindra fa any amin'ny tany miady any. Maro izy ireny no miharitra ny mafy nefa tsy misy mpahita, nefa izy ireny no iraka sy fitaovana nataon'Andriamanitra mba hampijoro ny Fiangonana sy hampahafantatra ny fisian'Andriamanitra. Koa mangataha isika àry, mba hanana finoana mafy orina, tsy voahozongozona tahaka an'i Masindahy Jacques Berthieu, ka hananan'ny misiônera rehetra faharetana sy risi-po, hahafoy ny ainy ho famonjena fanahy. Jesoa ô ! Ny rà nalatsik'i Masindahy Jacques Berthieu teto amin'ny Nosinay anie, mba hahalonaka ny finoana kristianina sy hampiroborobo ny fiainan'ny Fiangonana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...