Zoma 19 jona 2020 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

0 : 00

Mankalazana manetriketrika ny Fo Masin’i Jesoa ny Eglizy izao sady andro maneran-tany ivavahana manokana ho an’ny fanamasinan-tenan’ny pretra. Ilay Fon’i Jesoa fatra-pitia sy mangoraka ary mamindra fo antsika olombelona satria sady Fon’Andriamanitra no fon’olombelona ny Azy. Ka ankoatra ny fahaizany mitia lavorary dia mahay mangoraka sy mamindra fo Izy. Tsy ny olombelona no mamaritra ny Fon’Andriamanitra fa Izy Jesoa mihitsy no nanambara fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Izy. Matoky ny fanambaràny isika satria marina. Tsy vitan’ny hoe nambarany fotsiny izany fa niainany tokoa fony Izy tety an-tany. Koa isika manara-dia Azy mila manahaka Azy. Ny antsika olombelona fotsiny aza moa fo emboka fa tsy fo vato, mainka ny Azy Andriamanitra, ataoko fa manoatra izany. Hoy ny fiteny hoe: “Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona, fa raha mahalala maharary ny an-tena, mba mahalala maharary ny an’olona.” Ny an’i Jesoa tsy notsongoina fotsiny fa notrebonina tamin’ny lefona mihitsy ka nisy rano sy ra nivoaka, avy amin’izany no igohantsika ny hatsaram-pony sy ny fangorahany lehibe indrindra. Fo tokana tsy mahay afa-tsy ny mitia araka ny tena izy ny Azy.

Tsy misy mahita ny any am-po tsy miloaka na ny endriky ny fanahin’ny tsirairay fa ny fisehony amin’izay atao no hamantarana azy, toy ny hoe : malemy fanahy, tsara fanahy, tso-po, mora fo, mamindra fo. Etsy an-daniny koa ny hoe : ratsy fanahy, loza be, saro-po, be fo, sy ny maro hafa. Ireto farany anefa mety hiova ho toa iretsy voalohany raha manaiky iasan’ny Fon’i Jesoa ka miezaka haka tahaka Azy isan’andro.

Miteny amintsika i Jesoa amin’ity andro ity hoe : “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho”. Koa ankoatra ny fijaliana sy ny fahoriana iainan’ny tsirairay na miaraka any dia misy ny iombonana maneran-tany sy eto amintsika : ity valan’aretina “Covid-19” ity, izay mandripaka olona maro tokoa, fahavalo iombonana tsy hita maso ka miteraka fahavoazana tsy hita noanoa amin’ny lafiny maro. Isika rehetra no miara-mitondra izany eo amin’i Jesoa, hamahany sy hanamaivanany azy. Mahafantatra tsara ny fahoriantsika Izy fa tsy mody fanina na marenina akory, fa ilainy isika mitondra izany eo Aminy fa mavesatra amintsika tokoa izany. Izao anefa, tsy maintsy entina aloha ny jiogany, mianatra Azy, araka ny teniny, vao ho toa ny faniriantsika ; izany hoe : miombom-pijaliana Aminy mba handresy miaraka Aminy koa. Miezaha àry manahaka ny Fon’i Jesoa isika sy miantoraka matetika amin’izany Fo izany mba hahazo fiadanana. Koa amin’izao andro maneran-tany ivavahana ho an’ny fanamasinan-tenan’ny pretra izao hivavaka isika, indrindra amin’ity andro ity ho azy ireny, na ny any amintsika na any an-kafa, hananany fo toa ny an’i Jesoa nifidy azy. Vavaka fanaontsika sady tena tsara ka azo iverimberenana ny hoe : Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po ô : ataovy manahaka ny Fonao ny fonay ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...