Alakamisy 23 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 10-17 — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.

0 : 00

Ireo taovam-pandrenesana eo amin’ny tenantsika ireo no ifandraisantsika amin’ny tontolo manodidina antsika, koa ny sofina natao hihainoana, ny maso natao hijerena. Fomba fiteny andavanandro ny hoe : “Ianao tsy mihaino ahy akory”, raha misy olona miady hevitra amintsika tsy mahazo ny zavatra tiantsika ho lazaina. Moa va tsy toy izany koa no anamabaran’i Jesoa ny olona mihaino Azy, tsy mahatakatra izay tiany hambara. Eo koa ny olona hanambarana ny marina kanefa izay ao anatin’ny lohany ihany no ifikirany. Isika kristiana manara-dia an’i Kristy dia mandray tsy ampihambahana izay lazainy sy ampianariny antsika. Ny ahafatarana izany dia isika mahazo hafaliana rehefa mihaino ny Teniny.

Fanoharana no entin’i Jesoa mampita ny fampianarany, miainga amin’ny zava-misy amin’ny fiainana andavanandro satria mistery ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra ; tsy takatry ny saina. Koa ny finoana tokana ihany no ahafahana mahazo ny momba azy. Ireo manam-pinoana no mahatakatra mora foana ny tsiamabaratelo mahakasika io Fanjakan’ny Lanitra io. Vokatry ny finoana kosa ny fibebahana ka mahatonga ny fiainana mihalavorary hatrany eo am-panarahan-dia an’i Kristy. Miteraka hafaliana ao anaty ao ny fibanjinana an’i Kristy, ny mahita Azy sy ny mandre ny feony. Ny fiainantsika amin’izao andro izao dia saika feno tabataba ka tsy handrenesana itsony ny feony. Toa variana ny fiatrehana ny fiainana andavanadro isika. Tsy manam-potoana ivavahana indraindray na atakalo hanaovana zavatra hafa ny fotoana tokony hihaonana amin’Andriamanitra hakanesana any am-piangonana. Eo indrindra àry isika no tokony hahatsapa fa ny fiainantsika dia natao hanovo hery ao amin’Andriamanitra : hihaino ny Tenin’Andriamanitra, hibanjina an’i Jesoa ao amin’ny Eôkaristia. Io hery azontsika avy amin’Andriamanitra io no entintsika miatriaka ny fiainana andavanandro, fiainana izay toa tsy ialaozan-tebiteby sy ahiahy. Fa i jesoa kosa mahay mampitony ny fontsika. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...