Sabotsy 25 jolay 2020 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 20-28  — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo.

0 : 00

Ny asa fanompoana no niantsoan’i Jesoa ireo mpianatra manara-dia Azy saingy hafa mihitsy no nangatahan’ny renin-janak’i Zebede ho an’ ireto zanany, dia ny ametrahana azy ireo ho eo ankavia sy ankavanana rehefa tonga any amin’ny Fanjakany Izy. Tsy mahagaga raha tezitra amin’izy mirahalahy ireo ny mpianatra hafa. Mampangetaheta antsika olombelona izany toerana eo amin’ny Fanjakana izany satria mampahazo voninahitra. Ho an’i Jesoa, io asa fanompoana io no ahafahana mamonjy ny olona ka raha tahiny maniry ho tena mpianany sy ho mpanara-dia Azy dia ilaina ilay toetra mahay manetry tena sy vonona hanompo ny namana. Noho izany, hitondrana ny Hazofijaliana ny fanarahan-dia Azy.

Nohenointsika teo ny fomba filazan’i Jesoa ny amin’izany : “Moa mahasotro ny kapoaka ho sotroiko va ianareo ?”. Ny tena mpianatra, mahatoky sy mendrika àry dia izay vonona hizaka ny fijaliana araka ilay fitenintsika manao hoe vonona hisotro ny kapoaka mangidy. Ny antony ijaliana dia ny mba hahasambatra ny hafa. Misahirana ny renim-pianakaviana, ohatra amin’ny fikarakarana ny sakafo ao an-tokantrano ao mba anomezana hafaliana ny ankohonana ireo sakafo karakarainy. Toraka izany koa, tonga teto an-tany i Jesoa hanavotra ny olona sy hitondra azy any hasambarana mandrakizay. Omban’ny fitondrana ny Hazofijaliana io fanomezana hasambarana ny hafa io. Ho an’ireto mirahalahy mpianatr’i Jesoa ireto dia ny mahamartiry no iombonany anjara aminy. Io ilay nolazain’i Jesoa hoe “ny kapoaka ho sotroiko dia hosotroinareo koa”. Ohatra velona amin’ny finoana ho antsika i Masindahy Jakôba ankalazain’ny Fiangonana anio, nahafoy ny ainy noho ny fitiavany ny Fiangonana ; manome ohatra ho antsika koa izy amin’ny fanetren-tena sy ny tsy fifikirana amin’ny voninahitra eto an-tany fa vonona hanara-dia an’i Jesoa hatramin’ny fahafoizana ny aina aza. Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...