Alatsinainy 23 desambra 2019 — Herinandro fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66 — "Ianao ilay Emanoela, mpanjaka sy mpanalàlana anay. Avia hamonjy anay ry Tompo Andriamanitray."

0 : 00

I Elizabeta dia vehivavy momba nefa dia nomen'Andriamanitra zaza ihany na dia tao anatin'ny fahanterana aza. Midika izany fa miditra an-tsehatra eo anivon'ny fiainantsika olombelona mihitsy Andriamanitra. Tsy misy tsy hain'Andriamanitra hatao, raha mino isika.

Nanana anjara toerana lehibe tokoa i Joany teo amin'ny tantaram-pamonjena. Izy no mpaminany farany nanambara ny fahatongavan'ny Mesia sy nanao batemy azy mihitsy. Na dia teo aza izany asa lehibe nataony izany dia nitafy ny fanetren-tena mandrakariva i Joany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...