Alahady 29 desambra 2019 — Fianakaviana Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23 — Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy, ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny Tenin’i Kristy.

0 : 00

Ry kristianina Havana! Mankalaza ny Fianakaviana Masina ny Eglizy androany. Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta izay ahitana an’i Josefa sy Maria ary i Jesoa izay singa fototra mahafeno ny fepetra maha fianakaviana ny fianakaviana. Manasa antsika moa hanaraka tsy tapaka ny katesizy izay haroso isan’andro eto amin’ity onjam-peo ity mahakasika izay fianakaviana izay sy ny tontolony, indrindra fa ny tontolo iainan’izy ireo ankehitriny. Mbola ao anatin’ny havaloana fankalazana ny Noely raha ny andro no jerena kanefa kosa raha ity Evanjely naroso ho antsika teo ity dia efa taorinan’ny famangian’ireo Majy no niseho ny tantara. Izany hoe raha ny fizotran’ny tantara dia tokony ho any aorinan’ny Epifania ity Evanjely ity no haroso kanefa moa misy fampianarana tian’ny Eglizy haroso ho antsika amin’izao fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina izao no mahatonga azy lasa aty aloha aty.

Anisan’ny olona fototra ao amin’ity Evanjely ity i Josefa satria na ny anarany aza voantonona in’efatra ao. Manasongadina indrindra ny anjara asany izany: loham-pianakaviana izy, tompon’andraikitr’io vondron’olona kely io izay mahafeno ny fepetra maha fianakaviana ny fianakaviana dia i Maria sy i Jesoa zazakely izany.

Ao amin’ity tantara ity dia tsy nisy mihitsy teny nataon’i Josefa raha nandidy azy ny Anjelin’Andriamanitra hoe mitsangana ianao fa avy izy dia manatanteraka. Io baiko io dia efa fandre matetika any amin’ny Testamenta Taloha tamin’i Abrahama, Elie, Jonasa, Jerosalema, Daniela, ary saika mameno ny Testamenta Vaovao ihany koa. Mila antsika hitsangana hanatanteraka ny sitrapony Andriamanitra. Any amin’ny fiainan’ny fianakaviana maro samihafa any, maro ireo mandositra adidy indrindra ny raim-pianakaviana. Mazana no mibitsika ao amin’izy ireo koa io feon’Andriamanitra miantso io hoe mitsangana ianao io fa maro amin’izy ireo no mamono sofina na mamono eritreritra amin’izany antso izany. Endrika maro manko no hisehoan’io tranga nahazo an’i Maria sy i Josefa io: zaza na vady marary, tsy fahampiana na tsy fisiam-bola, disadisa madinidinika na mety ho goavana ihany koa. Fakan-tahaka ho an’ireny rehetra ireny i Josefa sy i Maria amin’ny fahaizana mamaha olana haingana ary tsy mitamatama sady tsy be taraina. Maro amin’ireny olana mahazo ny fianakaviana ireny no tsy miankina amin’izy ireo fa noho ny zavamisy iainan’ny firenena na ny fiaraha-monina dia izy no mizaka toy ny an’i Maria sy i Josefa eto. Fa misy ihany koa anefa dia noho ny hadalana na tandrevaka ataon’ireo tokantrano sasantsasany ihany no mahavoa azy ireo.

Anisan’ny iray lehibe fitaratra ho an’ireo ray rehetra àry eto ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra nataon’i Josefa: nitsagana, nandeha namakivaky ny alina niaro ireto ankohonany, niaro ny Mpamonjy. Tamin-panetrentena sy finoana ary fitiavana no nanaovany izany. Aoka ho tsapan’ireo ray sy renim-pianakaviana rehetra fa na inona na inona miseho dia tompon’andraikitra mandrakariva izy ireo rehefa nanaiky ho amin’izany anjara toerana izany noho ny sakramentan’ny fanambadiana ary hahay hanaiky hatrany ny sitrapon’Andriamanitra. Ento am-bavaka hatrany ny fiainam-pianakaviana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...