Alatsinainy 30 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40 — Imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika... nony farany, ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Andro fahenina amin’ny havaloan’ny Noely isika izao na dia efa nankalazaina omaly aza ny fetin’ny Fianakaviana Masina satria io fety io dia anisan’ny zava-dehibe mandrafitra ny litorjian’ny  Noely. Mizara telo miavaka tsara ny zavatra tian’i Lioka ampitaina amintsika.

Voalohany àry dia mamariparitra ny momba ity vavy antitra izy. Anisan’ireo vondron’olona mahantran’Yahveh i Ana. Nantsoina hoe “anawim” ireo vondron’olona ireo. Ny fiainana niainany moa dia mampiharihary izany mampahantra azy izany, safidiny rahateo izany. Tsy mba nanana na inona na inona izy. Anisan’ny ratsy vintana koa moa izy satria dia hoe fito taona monja no mba niainany tao anatin’izany fiainam-panambadiana izany dia maty ny vadiny. Tsy tiany anefa ny ho kikisan’ny alahelo irery tao an-tranony vokatr’izany fahafatesan’ny vadiny izany ka ny fivavahana sy fifadian-kanina ary ny fanompoana an’Andriamanitra tao an-tempoly no vahaolana hitany fa hanala alahelo azy kanefa dia vahaolana tena tsara. Ny tenany mihitsy no natolony ho fanatitra ho an’Andriamanitra ary zavatra tsara no nataony satria izy no toy ny sacristine amin’izao androntsika izao, manampy ireo mpisorona amin’ny fisoronana ataony ao amin’ny Tempoly. Nanolotra ny fiainany ho sorona mba hahafahany ho tonga any an-danitra i Ana.

Faharoa dia nanana fanantenana lehibe ity vavy antintra tia vavaka ity. Anisan’ny niandry ny fanalana alahelo an’Israely izy: ilay vehivavy mahantra, manetry tena niandry ny Mesia mahantra ihany koa. Anisan’ny tafiditra tao amin’ny fivavahany sy ny fifadian-kanina nataony izany ary tsy fanantenana azy irery fa an’Israely manontolo. Ny vavaka ataontsika ve vavaka ho antsika samirary ihany sa vavaka miantefa amin’ny hafa koa. Ny fanantenantsika ve manampy ny hafa hanana fanantenana koa sa dia mijanona ho antsika samirery? Eo anatrehan’izany dia nandray anjara tamin’ny fampahafantarana ny zaza amin’ny olona koa i Ana. Namafisiny fa io zaza io no fanafahana sy fanalana alahelo ho an’Israely ka na tao an-tempoly izy na teny ivelany dia nizara ny tao am-pony vokatry ny hafaliana fa tonga tokoa ny Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Fahatelo dia isarihan’i Lioka ny saintsika hisaintsaina ny fotoana lava niainan’i Jesoa ny fahazazany: “nitombo niha natanjaka ny zaza sady feno fanendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra”. Niaina ny fiainam-pahazazana i Jesoa toy ny zaza rehetra: nitombo, nilalao, nianatra... Andriamanitra anefa Izy ary izay ilay mistery lalina momba azy. Ny fiainan’i Jesoa dia nizotra nanaraka ny lalàna voajanahary sy ny fepetra rehetra maha olona ny olona iray: fahazazana, sakan-jaza, adolantsento. Tao anatin’izany no namantarany sy nizàrany tsikelikely koa ny iraka miandry azy sy nanirahan’ny Ray azy ary nanabe sy nitantana azy tamin’izany i Maria sy Josefa. Tao anatin’izany no nitomboan’ny fahendreny fa nisongadina ny fanekeny: fanekeny ireo ray aman-dreny nitaiza fa fanekena ny Ray koa na dia naka ny fombantsika olombelona aza Izy; isika izay malemy ary manam-petra.

Aoka ary isika mba hanao toa an’i Ana handany ny fotoanantsika hanompo an’Andriamanitra ary hiezaka ho eo akaikiny mandrakariva fa tsy efa trotraky ny fiainana vao mody miverina dia tsy ampy intsony ny hery entina manao izany. Aoka isika hanaiky ho iraka hitory, hijoro ho vavolombelon’ity Mesia tonga mamonjy antsika ity ary hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra amintsika toa azy mba hitondran’Andriamanitra famonjena ho an’ny olona rehetra. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...