Alarobia 04 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33 — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

0 : 00

Ny fiainana dia fanomezan’Andriamanitra ary i Jesoa dia nanoro antsika hoe ahoana ny fomba fiaina satria izao fiainana izao dia manokatra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Zavatra roa àry no takiany amintsika : ny voalohany dia ny fitondrana ny Hazofijaliana izay tsy midika mihitsy hoe : miaritra fahoriana mandrakizay. Fa ny tiany ambara mantsy dia ny hialana amin’ny fahazaran-dratsy sy mandà ny sitrapontsika mba hidirana any amin’ny sitrapon’Izy Andriamanitra. Ny faharoa dia izay mihitsy, mandà ny tena. Ny fandavana ny tena dia efa hazofijaliana ho antsika izay entina am-pitiavana. Tsy mora velively àry ny manatona an’i Jesoa Kristy.Tsara ny manamarika fa Izy eto tsy niteny mihitsy hoe : "Aza tiavina ny Ray na ny Reny na ireo Zanaka", fa ireo ary no tokony hampitombointsika mandrakariva ny fitiavana azy, fa aoka kosa mba tsy ho sakana izy ireo amin’ny fanarahan-dia Azy. Eo amin’ny fiainantsika àry dia Izy no tokony omena toerana voalohany sy ambonin’ny zavatra rehetra.

Mamporisika antsika àry eto i Jesoa mba hanana fahamalinana eo am-panarahan-dia Azy tahaka ity lehilahy iray izay hanao tilikambo sy ity mpanjaka izay handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa voalazan’ny Evanjely. Mila mandinika alohan’ny hanapahana hevitra marina fa hanara-dia an’i Jesoa sao mantsy dia ho kivy eny an-dalana. Ny fahafoizana ny zavatra rehetra noho izany no antoka amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...