Alatsinainy 09 nôvambra 2020 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24 — Fidiko sy hamasiniko hatramin'izao ity trano ity, hoy ny Tompo, hitoeran'ny Anarako mandrakizay.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mankalaza ny nitokanana ny Bazilika ao Latran, Katedralin’ny Papa amin’ny maha Evekan’i Rôma azy ny Eglizy anio. Io no renivohitry ny Eglizy maneran-tany noho ny maha fiketrahan’ny Ray masina azy satria izy no filohan’ny Eglizy, dimbin’i Masindahy Piera. Tandindon’ilay Jerosalema tamin’ny fotoan’androny fa famantarana ilay Jerosalema tanindrazantsika rahatrizay ihany koa. Famantarana satria mitarika antsika hibanjina ilay Jerosalema any an-danitra. Vao tsy ela akory isika no nankalaza ny fetin’ny olomasina rehetra araka ilay fiekem-pinoantsika hoe “mino ny fiombonan’ny olomasina rehetra isika”.

Ny Evanjely naroso tamintsika teo, manamarika ity fety fankalazana ny fitokanana ity dia manambara ny fifampiresahan’i Jesoa sy ilay vehivavy samaritana teo amin’ny fantsakana raha nandeha nitady sakafo tany an-tanàna ny mpianany. Fangatahana rano hosotroina moa no niandohan’ny resak’izy ireo ka niafara amin’io Evanjely naroso tamintsika teo io ny resaka. Izany hoe, i Jesoa misarika ny sain’ity vehivavy samaritana ity hanakatra lavitra satria ny rano nampanantenain’i Jesoa azy fa tsy hampangetaheta intsony ary fanomezana avy amin’Andriamanitra dia ny famonjena, araka ny voalazany tamin’ny Evanjely teo hoe avy amin’ny Jody ny famonjena. Izany moa dia noho ireo faritany roa samy hafa ireo tsy dia mifankahazo loatra. Ampanantenain’i Jesoa tamin’ilay vehivavy teo, ary amintsika koa moa, fa ho avy ny andro tsy maintsy hitodihantsika amin’ny Ray, dia Andriamanitra fanahy sy fahamarinana, ary izany no tena andrasany amintsika. Raintsika izy ary mahafantatra antsika tsara, ary fantatsika koa satria isika natsangany ho zanany tamin’ny batemy, ary amin’ny alalan’io sakramenta io no ahafahany miantso ny anarantsika tsirairay avy. Nomena antsika tamin’ny batemy ny Fanahy izay hitarika antsika amin’ny marina rehetra, koa meteza àry isika hitodika mandrakariva amin’ny Ray ka hizotra amin’ny lalana hitarihan’ny Fanahy antsika fa izy no hitarika antsika ho any amin’ilay Jerosalema tanindrazantsika rahatrizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...