Alakamisy 12 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Ny fanjakan’ny lanitra dia voateny matetika ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Evanjely ; ary anisan’ny fampanantenana lehibe omen’i Jesoa antsika. Miandry fatratra izany ny olombelona rehetra, indrindra ny mpino satria samy mangetaheta ny ho voavonjy avokoa isika rehetra. Ankehitriny moa izany dia mbola samy miandry io andro manan-daza sy tsy manam-paharoa io isika ; miandry ilay fotoana sambatra rehefa miala eto amin’ity Eglizy miady ity. Rahoviana tokoa ary izany ? Izay ilay fanontaniana nanitikitika ilay Farisianina teo, fa fanontaniana matetika apetratsika koa io. Misy manko manontany mihitsy hoe tena misy ve izany farandro izany.

Ny valin-tenin’i Jesoa dia mazava hoe tsy be fiavy izy na malaza sy manetriketrika fiavy noho io fanjakana io fanjakan’ny fitiavana, fanjakan’ny fanetren-tena sy ny fandeferana ary fanjakan’ny malemy fanahy. Hoy i Jesoa hoe efa ao am-pontsika izany fanjakana izany, indrindra rehefa miaina ireo hatsaram-panahy ireo isika. Tsy hita taratra ety ivelany manko izany fa mitoetra ao anatin’ireo rehetra mitonona ho kristianina ka miaina izany. Araka izany àry, voalohany indrindra dia miafina io Fanjakana io, miafina ao am-pontsika ka mila sofina malady, maheno ny bitsika ataony ao am-pontsika, ary mila maso mahita azy na dia ao anatin’ny maizina aza satria ao izy no tena hita mamirapiratra. Faharoa dia mistery na zava-miafina io Fanjakana io satria ambaran’i Jesoa fa an’ireo mahantra am-panahy sy ireo miaritra ny mafy noho ny finoana izy. Mifono ao anatin’ireny famantarana maro iainantsika ny sakramenta isan-karazany ireny àry ny tsiambaratelon’io Fanjakana io, koa aoka isika hiezaka hamantatra izany dieny ety an-tany satria ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra, ary ny entim-belona no enti-maty, koa izay ezaka rehetra ataontsika ety an-tany dia fiomanana handray izany Fanjakana miafina sy mifono mistery lalina izany kanefa dia nampanantenain’i Jesoa antsika. Ny hamaranany ny fampianarany teo moa dia hoe tsy maintsy hijaly aloha Izy ary ho lavin’ity taranaka ity. Misy fiaretana ny mafy aloha, tsy maintsy hiaretantsika sy sedraintsika vao mahazo izany Fanjakana izany isika, koa ankino am-pinoana amin’Andriamanitra izay rehetra mety ho sedra zakainao miaraka amin’i Kristy mba handovanao io Fanjakana io.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...