Talata 17 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

0 : 00

Zava-misy eny amin'ny fiainana andavanandro eny, raha misy zavatra kasaina hatao, na irina ho azo, indrindra raha tena tiana izany, dia tsy maintsy itadiavana fomba sy tetika mba ahatratrarana ireny tanjona ireny. Anisan'izany ity fihetsika nataon'i Zake ity, noho ny toe-batana ananany, dia tsy mba afaka niara-dalana taman'olona izy fa nihanika amontana, izay no fomba hitany fa mety hahatanterahany ny fikasany sy ny hetahetany. Naniry sy nangetaheta izy mba hahita an'i Jesoa nandalo tao an-taana, nefa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona, ka io no tetika fantany hahitana an'i Kristy. Olona manana ny maha izy azy izy teo amin'ny fiaraha-monina : lehiben'ny mpamory hetra romanina, mpanan-karena ; nefa hadinony izany. Sahy nanao dingana voalohany hanatona an'Andriamanitra, eny fa na dia ny hahita maso Azy fotsiny aza. Fantatr'i Kristy ny hetahetany sy ny fihetsika nataony ka tsy nisalasala Izy niangavy ity Poblikanina mba hampiantrano Azy ao aminy : "Midina haingana fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio". Hafaliana ny an'i Zake, nandray an'i Kristy tao an-tranony, koa na dia notondroin'ny olona molotra aza izy dia am-pitiavana no nandraisany an'i Kristy sy nanehoany ny fahavononany hibebaka, hanonitra izay tsy nety nataony. Tsy hoe "dahalo niova fo" i Zake eto, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no tonga tao aminy, i Kristy mihitsy no tonga hamonjy ny very. "Ny heloka ibabohana tokoa mody rariny".

Fihetsika tokony ataontsika tokoa ity asehon'i Masindahy Lioka amintsika anio ity : hangetaheta mandrakariva ny hahita sy hihaona amin'i Kristy, amin'Andriamanitra mandritra ny fiainantsika, ary tsy hoe mangetaheta fotsiny, fa mitady fomba mihitsy hanatonana Azy mba handraisana ny fampindram-pony manoloana ny fahotantsika. Mitady sy miandry antsika mandrakariva Izy, fa isika no andrasany hitodika any Aminy. Vonona ny hamonjy antsika Izy, fa isika no andrasany hahatsapa tena. Tsarovy fa ny famonjena tsy mba miandry andraso na hoe ampitso fa ny anio ihany, koa mivonona àry, tahaka an'i Zake.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...