Talata 01 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

0 : 00

I Jesoa nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina no ambaran'ny Evanjely. Ao amin'ny fiekem-pinoantsika dia hoe noforonin'ny Fanahy Masina tao an-kibon'i Maria Virjiny i Jesoa. Ka tsy hoe nahatorontoronina azy fotsiny ny Fanahy Masina dia izay, fa nomba azy nandritra ny fiainany manontolo, ary mbola manohy ny asany ao amin'ny Eglizy, hatramin'izao.

Nahomby tamin'ny asany i Jesoa. Noraisin'ireo madinika sy tso-po manko, ny Fanjakan'Andriamanitra notorin'Izy sy ny mpianany. Misaotra ny Ray Izy satria, ny Ray no nanokatra ny fon'ireto madinika, handray ny fanambarana. Noho izany, tsy izay mahay akory no masina, fa izay manetry tena, manaiky an'Andriamanitra. Sambatra ny masonareo mahita izao androm-pamonjena izao, hoy i Jesoa. Mahita an'i Jesoa sy ny asany, mandre ny teniny, manatri-maso ny fiainany, ka mino. Misy manko ireo mahita, na mandre fa tsy mino.

Fepetra voalohany hanatonana an'Andriamanitra ny fahatsoram-po. Tsy fahaizana ara-tsaina, fa fo misokatra hidiran'Andriamanitra. Miray hafaliana amin'i Jesoa ny mpianatra, faly fa tafita tsikelikely ny Fanjakan'Andriamanitra. Hanentanan'ny papa François antsika matetika : mba ho faly amin'ny fiainana isika, satria loharanom-pahamasinana ny hafaliana, ary ny Fanjakan'Andriamanitra dia fanjakan'ny hafaliana.

Hanenika antsika mianakavy anie, ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, tahaka ny hafaliana nanenika sy nampientana an'i Jesoa. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...