Talata 5 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44

Eto amin’ity Evanjely ity isika dia nahita an’i Jesoa sady nampianatra amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra sy nanome sakafo ho an’ny olona. Tsara ny manamarika fa nampianatra aloha izy vao nanome sakafo. Mampahatsiahy antsika izany amin’ny Eokaristia Masina izay ankalazaintsika : mihaino ny tenin’Andriamanitra aloha vao miditra amin’ny latabatry ny Eokaristia.

Ny zavatra voalohany tokony hataontsika kristianina araka izany àry, dia miaina ny tenin’Andriamanitra sy mandinika izany eo amin’ny fiainantsika sy ao am-pontsika. Ny tenin’Andriamanitra mantsy dia velona mandrakariva ary tokony hitarika antsika mankany amin’ny fibebahana. Noho izany tsy ampy fotsiny ny mihaino Azy fa tokony ho tonga ao an-tsaina mandrakariva hoe ahoana ny fomba hiainana an’izany. Mazava ho azy fa sarotra ny mahazo ny tenin’Andriamanitra ary mila fanazavana mandrakariva izany mba hahafahantsika miaina Azy. Ny Eglizy dia manome antsika izany fanazavana ny tenin’Andriamanitra izany amin’ny alalàn’ny fampianarana sy ny fandalinam-pinoana ary ny toriteny ataon’ireo Pretra.

Ny faharoa tokony hataontsika kristianina dia ny fifampizarana izay hananana toy ny nataon’iJesoa tamin’ireto vahoaka ireto : nizara mofo dimy sy hazandrano roa. Ankehitriny anefa, ny sakafo izay omeny antsika dia ny vatany aman-drany ao anaty Eokaristia, tonga ao am-pontsika sy mitoetra ao anatintsika Izy. Mamelona antsika amin’ny teniny sy ny tenany àry i Jesoa, mba hahafahantsika miaraka Aminy mandrakariva. Izy tokoa ilay Teny tonga Nofo ho antsika, izany hoe sady tenin’ny fiainana Izy no mofon’ny fiainana. Ao Aminy àry no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...