Alatsinainy 06 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-17. 23-25 — Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava.

0 : 00

Manome endrika na famantarana na seho maromaro isehoan'i Kristy ny Fiangonana. Ny fifindran'i Jesoa toerana nambaran'i Masindahy Matio eto dia mampiseho na manambara an'i Kristy ho iraka, misiônera. Nitondra fahazavana ho an'ireo izay mbola tao anatin'ny maizina ary miainga amin'izay fifindrany toerana izay no itoriany sy ampianarany ny Vaovao Mahafaly na ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Endrika isehoan'i Kristy koa eto ny fanasitranany ny aretina maro mba hanambarana fa tonga hamonjy ny olombelona rehetra Izy. Tsy mipetrapetra-poana fotsiny Izy fa tena miasa. Izay mety ho fahoriana manjo ny olona dia sitraniny sy avotany avokoa. Izay fihetsika hanehoan'i Kristy ny heriny sy ny fahefany izany no manambara fa Izy tokoa no fahazavan'izao tontolo izao. Koa meteza isika tsy ho maizina am-pototry ny jiro fa hanaraka an'i Kristy tahaka ireto vahoaka avy tany Galilea, Dekapôly, Jerosalema, Jodea mba hanakaiky hanara an'i Kristy Ilay Mpamonjy, fahazavana hanala ny haizina ao anatintsika

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...