Alakamisy 7 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22a

"Ato amiko ny fanahin’ny Tompo fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly", tanteraka teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy tokoa io teny io tamin’ny asa fanirahana izay nataony. Ny fanahin’ny Tompo dia ao amin’i Jesoa ary Izy no nampita an’izany ho an’ireo izay mino Azy.

Araka izany ny asan’ny Eglizy voalohany ary dia ny mitory ny Vaovao Mahafaly ho an’ny olona rehetra. Hoy i Masindahy Paoly izay hoe : "loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho". Rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra ary isika dia aoka tsy ho raisintsika ho toy ny tenin’olombelona, fa teny izay manam-pahefana mihitsy hanova ny fontsika. Andriamanitra mantsy tsy niteny fotsiny eo amin’ny sofintsika fa indrindra ao am-pontsika. Noho izany, ny tenin’Andriamanitra dia harena tsy manam-pahataperana eo amin’ny fiainantsika. Ny Vaovao Mahafaly ho antsika mantsy dia ny famonjena, ary io tenin’Andriamanitra io no manampy antsika mandrakariva mba hahazo izany.

Ny Eglizy dia manome antsika isan’andro ny tenin’Andriamanitra mba hanampy hahazo ny famonjena ary mamaly antsika foana i Jesoa manao hoe : "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany soratra izany". Mampahatsiahy ilay valintenin’i Masina Maria tamin’ny Arkanjely Gabriely manao hoe : "Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao". Mba handaitra eo amin’ny fiainantsika àry, ny tenin’Andriamanitra, dia tokony hialana ny fijerin’olombelona toy ny nataon’ireo Jody sasany tamin’i Jesoa hoe : "tsy ny zanak’i Josefa va ity ?", ny hitan’izy ireo tamin’i Jesoa mantsy dia ny maha olombelona Azy ihany fa tena takona tanteraka tamin’izy ireo mihitsy ny maha Andriamanitra Azy. Hany ka nahatezitra sy nahatafintohina azy ireo ny teny rehetra izay nambarany. Tadidio àry, fa rehefa mihaino ny tenin’Andriamanitra isika dia Izy mihitsy no miteny amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...