Sabotsy 9 janoary 2021  — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe ; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30

Endrika fifaninanana no tsapan’ireo mpiantr’i Joany nisy teo amin’ny batemy nataon’i Joany, mpampianatra azy ireo, sy ny batemy nataon’i Jesoa. Nahitsin’i Joany avy hatrany anefa izany fomba fijery izany fa ny asa rehetra izay atao dia avy amin’Andriamanitra, ary i Jesoa no Mesia. Noho izany tsy nisy mihitsy ny fifaninanana satria ny tanjona dia iray ihany : ny famonjena ny fanahy.

I Joany no mpialoha lalana an’i Jesoa, ary ity farany dia nanaraka izay nataony tamin’ny fanaovana batemy tamin’ny rano, fanadiovana ny fo hisokatra ho amin’ny fibebahana. Hafatra navelan’i Jesoa tamin’ireo mpianany tokoa mantsy ny fanaovana batemy amin’izao tontolo izao, amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Io no mahatonga antsika ho Zanak’Andriamanitra sy ny Eglizy.

Ankehitriny dia mety ho hita ao anatin’ny Eglizy ny endrika fifaninanana izay hanimba ny fiombonana. Ny Evanjely anio dia miantso antsika hampitsahatra izany fisainana izany mba hianatra handray miaraka an’Izy Andriamanitra sy hiasa miaraka amin’ny fanompoana ny Eglizy sy ny fanitarana ny fanjakan’ny lanitra.

Isika rehetra àry dia mpianatr’i Kristy avokoa, noho izany dia mila miasa ho Azy daholo sy ho famonjena ny fanahy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...