Zoma 12 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

Ry havana ! Any amoron-dranomasin’ny Galilea indray i Jesoa eto, any amin’ny faritanin’i Dekapôly. Inona ny zava-nisy ? Nitondrana olona iray malemy, moana sy marenina Izy mba hametrahany tanana. Milaza amintsika izany fa misy hasiny ary tsy ataotao foana ity fametrahan-tanana ity, ka tsy ny olon-drehetra no afaka manao izany. Raha izany manko dia tsy nilaina akory ny nanatona an’i Jesoa fa ireo mitondra azy ireo ihany dia ampy hanao ny fametrahan-tanana aminy. Mitandrema àry, ary aoka ho mailo fa tsy ataotao foana ny mametrahan-tanana ary tsy ny olona rehetra no nomena fahefana ny amin’izany.

Ry havana, mangarona ny sofiny i Jesoa ary manisy rora ny lelany ary miteny hoe : Efeta na hoe misokafa. Averin’ny pretra io fihetsika io rehefa misy atao Batemy mba tsy ho sofina donto na ho variana amin’ny feo hafa no ho reny fa ny feon’ilay mpiandry ondry tsara, mba tsy ho teniteny foana, tsaho, lainga sy fitaka, fisolokiana ary teny feno fankahalana no hivoaka amin’io vavany io fa teny soa mahafaly ho an’ny malahelo.

Eto am-pamaranana àry dia miantso an’ireo rehetra vita Batemy mba hampiasa ny sofina sy ny vavany ho voninahitr’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...