Alakamisy 18 febroary 2021 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25

Mbola mamerina amin'ny mpianany, ny tsy maintsy hanjo Azy, i Jesoa : "tsy mantsy hijaly mafy ny zanak'olona" izany hoe tsy maintsy handalo fijaliana tsy roa aman-tany Izy. "Harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalana ary hovonoiny". Fijaliana mihatra aman'aina ary miafara amin'ny fahafatesana. Azo lazaina fa dingana tsy maintsy holalovan'i Jesoa ireo mba handavorariany ny asa nanirahan'Andriamanitra Azy tety an-tany. Tsapantsika amin'izany fa sarotra ny lalana miaraka amin'i Jesoa nefa mbola manentana sy mampirisika antsika ihany Izy manao hoe : "Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy". Araka izany tenin'i Jesoa izany dia tena tsy mora ny manara-dia Azy, saingy mazava ny fepetra telo tsy maintsy hizorana.

Fepetra voalohany : fandavan-tena. Ny mandà tena dia vonona hanao "eny" ka maniky ny sitrapon'Andriamanitra ary sahy manatanteraka izany ankalalahana.

Fepetra faharoa : ny fitondrana ny Hazofijaliana. Ny fiainana kristianina dia tsy maintsy fiainana feno fahafoizan-tena hanampy ny hafa sy hanolo-tanana azy. Izany hoe hanadino ny tena fa mba hieritreritra ny hafa. Ny Hazofijalian'i Kristy no alaintsika tahaka. Hazofijaliana ahafoizany ny ainy mba hahavelona antsika, izany hoe tena vokatry ny fitiavana maimaim-poana isan'andro isan'andro.

Fepetra fahatelo : ny fanarahana Azy. Na aiza na aiza aleha sy hitondran'i Jesoa dia faharetana no fototra.

Jesoa Tompo ô, raha ny herinay samirery dia tsy hanana ireo toe-po takian'ny maha kristianina anay. Koa amin'izao fanombohan'ny karemy izao, mba omeo ny Fanahy Masina hitantana sy hankahery ary hanazava ny lalan-kombanay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...