Sabotsy 20 febroary 2021 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32

Na taiza na taiza toerana nalehan'i Jesoa dia notadiavin'ny vahoaka sy narahany hatrany hatrany Izy, noho ny lazany sy ny fahagagana maro nataony. Tamin'izany koa no niantsoany ny mpianany sasany toa an'i Levi mpamory hetra, izay tsy iza fa i Matio. Teo amin'ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany, i Levi dia olona ratsy laza satria nosokajiana ho mpamadika tanindrazna noho izy miara-miasa amin'ireo mpanjanan-tany rômanina, manjanaka an'i Palestina.

Fanampin'izany araka ny fahitan'ireo farisianina sy mpanora-dalàna, izay mihevitra ho marina sy mpivavaka, ny olona mpamory hetra dia tena mpanota hiringiriny. Manoloana izany fiheverana rehetra izany, fiheverana izay azo antoka fa fantatr'i Jesoa tsara, dia nantsoiny ihany i Levi hoe : "Manaraha Ahy". Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Tian'i Jesoa haseho antsika àry fa tsy tokony hitsaratsara fahatany ny olona. Ary ny fandehanan'i Jesoa tany an-tranon'i Levi sy ny valin-teny nataony tamin'ireo mihevi-tena ho marina sy mpivavaka dia maneho miharihary ny tsy fankasitrahan'i Jesoa an'izany toe-tsaina lomorina izany. Ho Azy, ny zava-dehibe dia fiainana ny famindram-po sy ny fanavotana ny olona rehetra tsy ankanavaka eo am-panajana ny maha izy ny tsirairay. Hitantsika koa fa sahy manao izany i Jesoa, satria olona afaka Izy, izany hoe ny fiainany dia miankina amin'Andriamanitra Ray, fa tsy amin-javatra hafa ho fanantanterahany ny asam-pamonjena ny olona rehetra nanirahana Azy.

Tsy tonga hiantso ny olo-marina tokoa Ianao, ry Jesoa, fa ny mpanota hibebaka, ary anisan'izany izahay tsirairay avy. Ny ezaka hataonay mandritra izao karemy izao anie, hahatsapanay fa tsy lavorary izahay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...