Alatsinainy 22 febroary 2021 — Fiketrahan'i Masindahy Piera — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Mankalaza ny Fiketrahan’i Masindahy Piera isika amin’ity andro ity, na dia ao anatin’ny karemy aza. Mampitodika antsika amin’Izy Kristy nanorina ny Egliziny izany. Mbola mipetraka amintsika mandraka androany ny fanontanian’i Jesoa ao amin’ny Evanjely hoe : "Iza moa aho ?" ho an’ny olona sy ho antsika tsirairay. Sao lahy mbola mitovy amin’ny fahafantarantsika an’i Jesoa tamin’ny mbola kely ihany ny amin’izao fotoana izao. Tokony hitombo hatrany mantsy ny fahafantarana Azy satria arakaraky ny fifandraisana sy ifaneraserana Aminy bebe kokoa no hitomboan’ny fahafantarana Azy. Koa aoka tsy hionona amin’izay hevitry ny olona fotsiny, fa mila antsika mandalina bebe kokoa. Toy ny hoe tsy izay voalazan’ny "Facebook" rehetra akory no marina fa izay tena izy sy ambara ofisialy ihany no izy, betsaka no "fake news", vaovao tsy marina akory. Eto amin’ity Evanjely ity izao, voaporofo fa tsy izay lazain’ny olona rehetra akory no marina, saika tsy nahitana ny tena izy. Hoy mantsy ny fiheveran’ny olona momba an’i Jesoa : "Ny sasany manao hoe : Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany" Difotra ao amin’ny "sasany", "ry zalahy", "ny hafa" hany ka tsy hita izay tena niandohany. Fa naverin’i Jesoa amin’ny tenan’ny tsirairay hoe : "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho ?" Aza ankinina amin’ny olon-kafa ny fifandraisanao amin’i Jesoa fa ianao samirery sy Izy no aoka hifanatona. Izany akory tsy midika hoe tsy ilaina ireny fa natao kosa hanampy sy entina mandalina bebe kokoa, hanatevenana izay efa ananana.

Misy roa ambin’ny folo ny Apôstôly, fa i Piera ihany no nahita ny valiny tena izy mahakasika an’i Jesoa hoe : "Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona." Tsy olon-kafa fa i Piera no nanorenan’i Jesoa ny Egliziny avy eo. Koa tandremo isika sao diso fiantefa amin’ny safidintsika. Izay efa ao aoka tsy hiala na handrongatra any ivelany. Adidy mavesatra sy goavana, araka izany, no napetrak’i Jesoa tamin’i Piera sy ny dimbiny ka mbola tanan’ny Eglizy izany hatramin’izao. Fa isika koa eo amin’ny adidy sahanintsika ao am-piangonana : aza mialokaloka na miantehitra amin’olon-kafa. Aza atao toy ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka. Ianao no voatendry na voafidy fa tsy ny hafa, koa anjaranao io. Ny fanampiana no ilaina amin’izy ireny fa tsy mahasolo anao izany izy.

Koa amin’izao fankalazana ny fiketrahan’i Masindahy Piera izao, hivavaka ho an’ny Eglizin’i Kristy isika mba tsy ho resin’ny herin’ny ratsy izy, indrindra amin’izao firimorimon’ny fandrosoana izao izay mitady handrendrika ny sambon’i Piera. Azy Kristy io fa tsy antsika ka ankino aminy hatrany fa tsy mihataka na mivena amin’izany Izy. Tsy Eglizy noforonin’olombelona ny Azy, raha tsy izany mora rava na mipatitaka, fa Izy Andriamanitra mihitsy no namorona azy. Tadidio tsara koa fa nomeny fahefana hipaka hatrany any an-danitra koa i Piera amin’ilay hoe : "Izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra." Koa aza atsahatra ny vavaka atao ho an’ny Eglizin’i Kristy fa adidintsika izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...