Alakamisy 25 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12

Atoron’i Jesoa amintsika izao fa ilaina ny mangataka fa omeny, ny mitady mba hahita, ny mandondona mba ho vohaina, fa izao karemy izao no fotoana sy andro tsara ny amin’izany. Matetika mantsy isika, ratsy fangataka satria izay mahasoa antsika sy ny tenantsika ary ny manodidina akaiky antsika ihany no imatimatesana fa ny hafa tsy tsaroana, na ozonina mihitsy aza ka izay hahavoa azy no katsahina. Izay ilay vavaka fangatahana salobon-komana ka tsy mandeha lalana, fa mila fibebahana mba hisokatra misimisy kokoa, eny hatramin’ny fahavalo aza, adidintsika ny mangataka ho azy ireny. Koa aza atao toy ny saka rehefa mangataka : tsy mahalala afa-tsy ny “omeo, omeo” fa mba ataovy toy ny an’ny zaza, amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika : hataky ny zanaka amin’ny Rainy, Ilay mahalala manome zava-tsoa mihoatra lavitra noho izay hangatahina ho an’izay mila izany Aminy !

Manaraka izany, eo koa ny mitady : toa amin-javatra hafa na olon-kafa indray no mahamaika itadiavana fa tsy amin’Andriamanitra; fa toa ohatran’ny tsy mamaly vavaka Izy hoe ! Terena fotsiny Izy hanaraka ny sitrapontsika fa tsy ny sitrapony no katsahina sy tadiavina, hany ka miantehitra amin’ny vato aman-kazo, mandeha manompo sampy, mitsapa vintana etsy sy eroa, mihanona amin’ny kisendrasendra, mitety fivavahana atsy sy ary ka izay lazain’ny olona ahitana valim-bavaka haingana dia samy handehanana, tsy i Kristy intsony no tadiavina fa olon-kafa aza, ireny miseho ho mahay an’izao sy izao ; dia very sy tavela teo Andriamanitra. Raha hitady ihany tsy aleo ve any amin’ny Mpahary, toy izay any amin’ny zavaboary, voary nohariany ! Izay kamo no tsy mitady, fa izay mikatsaka mahita mandrakariva ! Fa aza diso lalam-pitadiavana anefa mba tsy hidona amin’ny rindrina !

Fanampiny koa : izay mandona no ho vohaina. Ny vinanto tsy mahare fosa no misosososo fa ny olona mahalala fomba mahay mandona aloha mba ho vohaina. Tsy mety ny miditra an-keriny toa mpangalatra fa toy ny mpiandry omby volavita isika ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Fa na zanaka aza isika, dia zaza mahalala fomba fa tsy sanatria zaza ratsy taiza ka handidy alohan’ny ray aman-dreny, na toy ny antsy kely be zarany ka mandidy dia homana. Ny Andriamanintsika tsy marenina akory na mody fanina amin’ny fandodonana ataontsika Aminy, fa malaky mamoa aza Izy sy mahalala izay mahasoa antsika kokoa. Fa matoa izay ohatran’ny tsy mamoha varavarana Izy, misy antony izay, ka matetika avy amintsika ihany no mahatonga izany. Tsy varavaram-bato na varavaram-by na varavaran-kazo ny Azy fa Fo malalaka, mahay mangoraka sy be indra fo ny Zanany. Mazava ny namaranan’i Jesoa azy teo ka averintsika hoe : “Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...