Alakamisy 18 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47

Mampiseho antony telo i Jesoa ho an’ireo olona izay tsy miaiky azy ho Mesia Zanak’Andriamanitra. Tsy manaiky izy ireo satria voalohany indrindra dia tsy ampy ny fitiavany an’Andriamanitra, ny faharoa dia ny fikatsahany ny voninahitra avy amin’ny olona ary farany dia nampiasa ny Soratra Masina mba hanamarinana ny tombon-tsoany. Tsy mila fanambarana avy amin’ny olona i Jesoa mba hanamarinany ny tenany fa Izy dia Zanak’Andriamanitra, Mesia, iraky ny Ray, fa nataony ho ampy ho an’izay mino Azy ny fampianarana nentiny sy ny fahagagana nataony.

I Moizy sy ireo Mpaminany dia efa nanambara ny fahatongavany fa ny Jody mihitsy no nandà, tsy nandray Azy, hany ka nanameloka sy namono Azy ho faty. Midika izany fa tsy tonga nofo tamin’ny fiainan’izy ireo ny tenin’ny Soratra Masina, izay hireharehany sy hitadiavany voninahitra avy amin’ny olona satria izay mino ny Ray dia tokony hino ny Zanaka.

Mampandinika lalina ny fiainantsika izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra ity Evanjely ity. Ny fitiavana an’Andriamanitra dia tokony ho ambony noho ny zavatra rehetra. Izy irery no omena voninahitra amin’ny izay rehetra atao. Ny teniny izay atolony antsika dia sakafom-panahy mamelona ny fiainantsika manontolo sy mampitombo ny finoantsika Azy.

Amin’izao vanim-potoanan'ny karemy izao indrindra àry no tokony hialana amin'ny avonavona ao am-pontsika ao ka hitodihana sy hibanjinana an’i Jesoa. Rehefa miara-dia Aminy mandrakariva isika dia mitombo ny fahalalantsika Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...