Sabotsy 3 aprily 2021 — Sabotsy masina — Derao ny Tompo fa tsara : Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’i Israely manontolo : Eny, mandrakizay ny fitiavany... — Evanjely Masina nosotaran'i Masindahy Marka 16, 1-8

Ry kristianina havana ! Amin’izao alin’ny Sabotsy masina izao tokoa no ahatsiarovan’ny Fiangonana Masina Renintsika ny nandevenana ny Tompo tao am-pasana, ary tsy diso anjara amin’izany fahatsiarovana izany koa isika kristianina vita Batemy izay vonon-kanara-dia marina an’i Kristy Mpamonjy. Isika moa dia tsy maintsy miara mijaly sy maty amin’i Kristy izany hoe tokony hiara-miditra amin’i Kristy amin’ny fahafatesana isika araka ny voalazan’i Masindahy Paoly vao afaka hiaraka Aminy amin’ny fitsanganan-ko velona ihany koa.

Fahagagana sy fahatahorana ary hafaliana no niseho tamin’i Maria Madelena sy Maria renin’i Jakôba ary i Salôme raha vantany vao tonga teo amin’ny fasana izy ireo ny vao maraina be. Hafaliana satria nilazan’ny Anjely izy ireo fa nitsangana ny Tompo. Nahatsiaro sambatra sy tretrika aoka izany izy ireo noho izany zava-nitranga lehibe izany. Tsy izy ireo ihany anefa no faly sy ravo ary sambatra fa isika rehetra izao koa, na dia tsy nahita maso aza isika nefa mino izany fitsanganan-koa velona izany. Faly isika satria izao fitsanganan’i Kristy ho velona izao no fototra iorenan’ny finoantsika izay mbola mafy orina mandraka ankehitriny, araka ny voalazan’i Masidahy Paoly araka ny taratasiny manao hoe : “Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo” (1Kor 15, 14). Isan’ny nizaka ny mafy tamin’ny nahafatesan’i Jesoa ny mpianany satria ilay mpampianatra azy izay nantenainy tamin-javatra maro no indro fa maty ka raha tsy nitsangana tokoa i Kristy dia asa izay niafaran’izy ireo.

Ry kristianina havana, mody hafaliana tokoa ny fijaliana niaretan’ireo mpianatr’i Jesoa sy mpanara-dia azy satria nitsangana izy. Isika koa niara-nijaly taminy nibanjina ny misterin’ny fiajaliany nandritra izay harinandro masina izay satria vao omaly isika no nifantoka tamin’izany fijaliany sy fahafatesany izany. Indro ankehitriny fa faly miaraka amin’izy ireo isika ary manana fanantenana lehibe fa fiainam-baovao ho antsika no entin’i Kristy tafatsangan-ko velona ho antsika. Araka izany àry, dia tsy fiafarana tsy akory ny fahafatesana ho antsika mpino, fa vavahady hidirantsika amin’ny tena fiainana miaraka amin’i Kristy. Izy nitsangan-ko velona no santatr’ireo izay efa nodimandry araka ny voalazan’i Masindahy Paoly. Noho izany, ny fasana tsy hitelina antsika mandrakizay, fa isika koa dia mbola hitsangana ho velona amin’ny farandro.

Jesoa Tompo ô ! Amin’izao Paka fandresena izao dia omeo herin-tsaina sy herim-po ary finoana sy fanantenana izahay manoloana ireo adim-piainana sarotra izay mamatotra anay isan’andro, mba hahazoanay ny fiadanana sy ny fahasambarana miaraka amin’i Kristy tafatsangan-ko velona. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...