Alatsinainy 12 avrily 2021 — Herinaindro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8

Fihaonan’i Jesoa tamin’ny Farisiana iray antsoina hoe Nikôdema no tantarain’ny Evanjely eto. Fihaonana ahafantarantsika ny antsoina hoe fahateraham-baovao. Ambaran’i Jesoa aminy fa raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny hoe ateraka indray dia midika ho fahateraham-baovao izany hoe ateraky ny lanitra na aterak’Andriamanitra. Mazava loatra fa ny batemy no ahatanterahan’izany. Amin’ny batemy dia ateraka indray amin’ny Rano sy ny Fanahy ny olona.

Fony i Jesoa nolefonin’ny miaramila teo ambony Hazofijaliana dia nisy rano sy ra nivoaka ny lanivoany. Ny rano moa dia ny anaovana batemy, ka mahatonga ho olom-baovao. Koa ateraka ho olom-baovao amin’ny alalan’ny sakramentan’ny batemy ny olona vao afaka miditra ny Fanjakan’ny Lanitra. Izay ateraky ny Fanahy dia fanahy, hoy i Jesoa tamin’ny Evanjely nohenointsika teo, hany ka tonga zanak’Andriamanitra, ary ny zanaka no mandova, koa rehefa vita batemy isika ary mihaino sy mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho mpandova ny fiainana mandrakizay. Asan’ny Fanahy Masina àry mampamokatra ny Tenin’Andriamanitra ao anatintsika ao, manova ny fontsika ho toy fon-janaka mankatoa ny Ray; tsy hifikitra amin’ny zavatry tany fa hakafy ny zavatry ny lanitra. Ezaka takiana amintsika izany eto amin’ity tany fandalovana ity. Hiezaka hiala sy handositra ny fahotana sy ny ratsy rehetra fa hanaraka an’i Jesoa fahazavana.

Ny alina moa i Nikôdema no nanatona an’i Jesoa ; eo ny fahatahorany ny Jody namany ; fa eo koa ilay famantarana ny hoe tao anatin’ny haizina ny fiainany no miezaka manatona an’i Jesoa Fahazavan’ny fiainana izy. Toraka izany koa ny fiainantsika, mila an’i Jesoa mandrakariva isika hanazava ny fiainantsika, dia i Jesoa efa nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny nitsanganany ho velona. Ny fanatonantsika an’i Jesoa no antoky ny famonjena antsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...