Alatsinainy 5 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26

Ry kristianina havana, araka ny Evanjely dia ity no fananganan-ko velona nataon’i Jesoa. Diniho izany haben’ny finoana : tsy mbola nahita an’i Jesoa nanangana ho velona ny maty hatreto kanefa natoky tanteraka ity rain’ilay zazavavy maty, matoky ilay tanan’i Jesoa mahery noho ny fahafatesana. Tahaka izany koa ity ramatoa iray efa narary ela, na dia toy ny mpanao mazia fotsiny aza no fandraisany an’i Jesoa, finoana vao mitsimoka sy tsy lavorary, fa neken’i Jesoa ary nahavonjy azy. Tsy miandry ho masina sy mendrika vao hanatona an’i Jesoa. Tsy miandry ho lavorary sy lafatra vao hivavaka. Miandrandrà ny tanany mahery, manatona azy dia ho sitrana, ho voavonjy.

Tonga ao amin’ilay zavavy maty i Jesoa. Noroahiny hivoaka ny olona nitangorona tao, satria mety hanakana an’Andriamanitra tsy hiasa malalaka ny tabataban’ny olombelona. Tsy maty razazavavy fa matory, hoy izy. Toy izany koa ny teniny tamin’i Lazara : "matory i Lazara ka handeha hamoha azy aho" (Jo 11, 11). Entiny ilazana ny fahefany mahery noho ny fahafatesana.

Dia io indray ny tanan’i Jesoa mandray ilay zazavavy amin’ny tanany. Izany no atao hoe fahasoavana, izany no atao hoe famonjena : tanan’Andriamanitra mitsotra mandray sy manangana, manala ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Toa mampitodika antsika amin’ny fitsanganany i Jesoa. Nandresy ny fahafatesana Izy mba hanangana antsika sy hanome antsika ny fiainam-baovao.

Tsy ny fahafatesana sy ny ratsy akory no tompon’ny teny farany fa i Jesoa Fananganana sy Fiainana. Asandrato any aminy ny tanantsika fa manatsotra tanana Izy hamonjy antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...