Alahady 11 jolay 2021 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13

Henontsika teo fa niantso ireo roa ambin'ny folo lahy i Jesoa, ary naniraka azy ireo hitory ny Vaovao Mahafalin'ny fibebahana sy ny fanasitranana. Nirahan'i Jesoa tsiroaroa izy ireo, satria ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia asa iombonana ato amin'ny Fiangonana. Mazava amintsika eto, fa i Jesoa no maniraka antsika hanohy ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ka izay indrindra no ambarany ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Joany 15, 16 : "Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo".

Teny manome fitokisana antsika io tenin'i Jesoa io, ary fantatsika amin'izany fa tsy irery isika eo am-panatanterahana ny fitoriana ny teniny, fa tonga miaraka amintsika koa izy. Izy no mitondra antsika sy manome ny fahasoavany mba hahatanteraka sy hahavokatra ny asa fitoriana ataontsika, ka ny hany angatahany amintsika dia ny hanana fitokisana ny fahasoavan'Andriamanitra. Izay no antony nandraran'i Jesoa ny mpianany, tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana eo am-panatanterahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fa ny hany angatahany amintsika dia ny fiankinan-doha amin'Andriamanitra, ka tokony hanam-pinoana isika fa Andriamanitra dia miara-dalana amintsika mandrakariva, ary manome ny fahasoavana izay ilaintsika amin'ny alalan'ireo olona izay andefasana antsika.

Isika kristianina tsirairay avy àry, no apôstôly eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika. Voairak'i Jesoa Kristy isika hitondra ny tenin'Andriamanitra eo amin'ireo mpiara-belona amintsika, ka hiezaka isan'andro hanamasina ny tenantsika, mba hahafahantsika manamasina ny mpiara-belona ihany koa. Koa mivavaha àry isika, mba ho izy Andriamanitra no hanazava ny fo amam-panahintsika, hahafahantsika mamaly ny antso miantefa amintsika ka hananantsika fahavononana hanatanteraka ny iraka tiany hampanaovina antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...