Alakamisy 12 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1

Mifototra indrindra amin'ny Famindram-po, hahatsapantsika ny haben'ny fitiavana tsy misy fetra, ny fampianaran'i Kristy anio. Izay tia, vonon-kamela. Mariky ny fitiavana, toy ny itiavan'Andriamanitra antsika izany : tsy misy fetra fa mamela ny hadisoan'izay mangata-pamelana aminy. Indrafo miteraka famindram-po anefa fa tsy zavatra mijanona ho an'ny tena fotsiny. Io no tohin'ny tenin'i Kristy momba ny fanoharana nambarany, tamin'ny Evanjely nohenointsika teo : hahaizantsika mangoraka sy maneho hatsaram-po sy fitiavana an'ireo diso tamintsika. Samy mpanota isika, samy tsy mendrika eo anatrehan'Andriamanitra, ary samy mila ny indrafony ka tokony hifamela. Fa sady fiainana ny fahasoavana raisina amin'ny kônfesy ataontsika, no mandrindra ny fifandraisantsika samy isika. Izay ataontsika amin'ny hafa no hasetrin'Andriamanitra antsika koa.

Angataho Andriamanitra, hanampy sy hitari-dalana antsika tsy hitoetra ao anatin'ny fahotana sy ny haratsiana, ary enga anie tsy hohadinointsika fa ny indrafon'Andriamanitra no mahatonga antsika ho mpamidra fo koa amin'ireo namantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...