Zoma 20 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

Inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna ? Ny didim-pitiavana no navalin’i Jesoa an’ilay mpahay lalàna izay naka fanahy Azy. Didim-pitiavana izay nosokajiany roa. Ny voalohany dia ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo, ny saina sy ny fanahy ary ny hery manontolo. Izy no tokony ho tiana voalohany sy ambonin’ny zavatra rehetra. Ny fitiavany antsika olombelona mantsy dia tsy mba mivadika na oviana na oviana. Ny faharoa dia mitovy an’izay ihany : Ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny namana dia ireo olona rehetra tsy ankanavaka eny na dia ireo heverintsika fa fahavalo aza.

Noho izany, tsy afaka misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Ho an’Andriamanitra mantsy dia samy zava-dehibe ireo. I Jesoa dia nahatanteraka izany didim-pitiavana izany tamin’ny alalan’ny Hazofijaliana. Ary noho ny fitiavany antsika olombelona rehetra tokoa, dia nafoiny ny ainy teo ambonin’io hazofijaliana io ihany. Ny didim-pitiavana àry, araka izany no irin’Andriamanitra hiainantsika ary io koa no antoka hidirantsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...