Alarobia 15 septambra 2021 — Masina Maria Virjiny, nijaly sy vonton'alahelo — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny, ilay nandray ny fandresen'ny Martiry teo ambany Hazofijalian'ny Tompo tsy nisy fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 25-27

Vao avy nankalaza ny Fanandratana ny Hazofijaliana isika omaly. Anio kosa i Masina Maria nijaly sy vonton’alahelo mijoro eo am-pototry ny Hazofijaliana no asain’ny Fiangonana banjinintsika. Nahoana tokoa moa no tsy ho vonton’alahelo ity Reny mahita ny Zanany mijaly, mifantsika eo amin’ny Hazofijaliana, mangotika tokoa ny kibo nitoerana. Araka ny Evanjely nohenointsika teo, tsy i Maria Reniny ihany no nijoro teo am-pototry ny Hazofijaliana, fa teo koa i Joany, mpianatra malalan'i Jesoa. Tsy nisaraka tamin'i Jesoa izy ireo na dia tao amin’ny fahoriana mangidy aza. Raha dinihina amin’ny saina tsy miangatra izany, angamaba tsy ho vitantsika satria mafy loatra raha samy fahoriana. Kanefa eo anatrehan’ny sarotra sy ny manahirana no ilana ny finoana. Ao aorian’ny Zoma Masina, misy hasambarana tsy hay lazaina omanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy. Noho izany ny fitiavana no mibaiko ny fiainana.

Ezaka tokony ataontsika, amin’ny maha kristianina antsika, ny miombom-pijaliana amin’ireo olona ianjadiam-pahoriana, toy ny niombonan'i Masina Maria sy ilay mpianatra malalany tamin'i Jesoa nifantsika teo amin’ny Hazofijaliana. Endrik’Andriamanitra izy ireny ary zandrin'i Jesoa. Maro ny ao anatin’ny tsy fahasalamana, ny miaina ny fahantrana toy ny tsy fahampian-tsakafo na kere, ao ireo voahenjika noho ny fijoroana amin’ny fahamarinana sy ireo endrika maro isehoan’ny fijaliana iaretana eto an-tany. Ireny rehetra ireny no isehoan’ny fijaliana ka mampitodika an'i Masina Maria nijaly teo am-pototry ny Hazofijaliana. Na izany na tsy izany anefa, misy vidiny ny fijaliana iaretana rehefa haintsika ny manakambana azy amin’ny fijalian'i Kristy, ka na eo aza ny fangirifiriana, tsy mahafoana ilay hafaliana ao anaty izany, dia ilay hafaliana vokatry ny fiombonana aina amin'i Kristy. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...