Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54

Manameloka ny fihatsarambelatsihy ny Evanjely anio. Fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra ny vahokan’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany : izany hoe toa fatra-panaja sy mahatsiaro am-panajana manokana an’ireo mpaminany taloha izy ireo kanefa tsy mitsahatra ny manenjika sy mamono ireo mpaninany mbola velona ankehitriny. Toa tsy mifanaraka ny lazainy sy ny ataony, satria milaza azy ho zanak’ireo mpaminany nenjehina sy novoina izy ireo kanefa ireo mpaminany ankehitriny toa enjehina hatrany, toa an’i Jesoa Kristy.

Hafatra miantefa amintsika kristianina izany ka ampahatsiahivana antsika fa tsy amin’alalan’ny teny fotsiny akory no handrefesana ny maha kristianina antsika, fa amin’alalan’ireo asa soa vitantsika eo amin’ny fiainana ; izany hoe, ny tena kristianina dia tsy ireo mahay mandaha-teny ka mandresy lahatra antsika ny mahakasika an’i Jesoa Kristy, fa ireo miaina araka an’i Kristy tokoa.

Misy hafatra hafa ankoatra ny voalaza teo ihany koa no azontsika tsoahana amin’io Evanjely io : mifanindran-dàlana amin’ny asam-pitoriana ataon’ny mpaminany rehetra ny fanenjehana sy ny fahafatesana vokatr’izany asa sahanina izany, satria tsy natao hanaraka ny sitrapon’olona torina akory ny mpaminany na koa mila mangina manoloana ny tsy rariny sy ny hitsiny. Mpaminany sandoka ianao raha toa ka tsy voaenjika mihitsy teo amin’ny fiainana satria mety tsy ny Tenin’Andriamanitra no notorinao fa nitady teny mifanaraka amin’ny sitrapon’ny mpihaino no nolazainao ; nitady irony teny tsy manaitra sy mampibebaka irony angamba ianao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...