Alatsinainy 8 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 1-6

Ry kristianina havana ! Araka ny voalazantsika omaly dia mamaramparana ny taona litojika ny Eglizy ka misarika ny fo amam-panahintsika hitsinjo ny farany ny tenin’Andriamanitra, indrindra ny Evanjely aroso ho antsika. Mampiomana i Jesoa fa tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana ka aoka hitandrina. Eo indrindra no tokony hahaizantsika mandanjalanja manoloana ny zavamisy iainantsika ankehitriny ka tsy hanaovantsika “jugement” be fahatany hoe efa miseho sy mitranga daholo itsy sy roa fa efa akaiky izao farany izao, sns... Efa hatramin’ny androny anie i Jesoa no nampiomana hoe miambena. Ka izay fiambenana izay no tokony himasoantsika isan’andro mba tsy ho tampohan’izany fotoana izany isika satria izay tsara fiomanana tsy ho tampohan-javatra miseho. Araka ity Evanjely ity àry dia zavatra telo no asain’i Jesoa tandremana sy tokony hatao eto :

Voalohany, aoka tsy ho izaho, ianao, isika mpivavaka na isika kristianina no fositra hiavian’io fanafintohinana tsy maintsy ho avy araka ny nambarany io. Tandremo ny fihetsika amin’ny madinika satria ny madinika no anisan’ny hananany tombom-pitiavana manokana. Ny Eglizy moa dia anisan’io madinika io ka tandindon’izany izao sinaody hiarahantsika manolo-kevitra ny mpitarika antsika izao mba ho Eglizy miara-dia, izany hoe tsy mifanilika fa afaka miombona amin’ny saranga rehetra.

Faharoa, asian’i Jesoa tsindrim-peo fa ny Eglizy izay isan’ny madinika dia be famindram-po, manahaka an’Andriamanitra sy izy nanorina azy, ka tokony hiezaka isika hanovo izany fahasoavana tsy lany laniana ao aminy izany, ary hanahaka koa izany toe-po tsara izany, dia ny fahaizana mamindra fo tsy misy fetra, satria antoka ahazoantsika ny famindram-pon’Andriamanitra izany. Raha mila ny famindram-pon’Andriamanitra isika dia tsy maintsy miezaka mamindra fo amin’ny namana na ny hafa ihany koa.

Fahatelo dia hamafisiny hatrany ny tokony hananantsika finoana. Tsy hoe tsy manana akory isika fa mila hampitomboina hatrany izany. Ny voan-tsinampy eto no anoharan’i Jesoa izany finonantsika izany : kely ary miha lehibe. Mila ny ezaka sy ny finiavana ataontsika izany eo amin’ny fiainantsika handalina ny finoantsika amin’ny fomba rehetra mba hahafahany mitombo satria afaka ampitomboina tsara io finoantsika io mba tsy hinohino foana na hanaonao foana. Ny finoana no mahavonjy, koa alao hery hiezaka hampitombo ny finoana efa noraisina tamin’ny batemy ary hiaina izany mba ho tsara fiomanana amin’izay rehetra ho avy sy mitranga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...