Alarobia 10 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19

Ry kristianina havana ! Ny zava-misy volazan’i Lioka tamin’ny Evanjely teo dia hoe an-dalana ho any Jerosalema I Jesoa. Diany farany ho any Jerosalema io mba hahatanteraka ny teniny hoe : "Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina ivelan’i Jerosalema (Lk 13, 33). Araka ny zavamisy teo amin’ny Jody sy ny Samaritana dia tsy afaka nandalo ny tananan’i Samaria Izy fa nanara-tsisina raha ho any Jerosalema. An-dalana ho any Jerosalema i Jesoa, manatona ny fampijaliana sy ny famonoana azy : midika izany fa ny lalan’ny hazofijaliany dia efa ela no nanomboka.

Ireo boka niantso indrafo taminy izay nitoetra ivelan’ny tanàna satria tsy mahazo miara-monina amin’ny olona noho izy ireo maloto araka ny lalàn’i Moïzy ao amin’ny Levitika 13, 45 dia mampaka-peo miantso vonjy noho izy ireo voailika ivelan’ny tanana fa maloto nefa dia olona mitovy amin’ny olona rehetra izy ireo. Mahatsapa ho mahantra izy ireo noho izany. Antso fanaontsika matetika indrindra amin’ny lamesa io hoe "Tompo ô, mamindrà fo aminay" io : aoka isika tsy hisalasala na ho menatra fa hiantso mandrakariva ny indrafon’Andriamanitra tahaka ny nataon’ireto boka ireto satria be indrafo Izy ary Rain’ny famindram-po. Famantarana ny fahotana manko ny habokana ao amin’ny Baiboly, famantarana ny ratsy izay manova sy mamono ny zo maha olona ny olona iray. Io tenin’i Jesoa amin’izy ireo io dia efa voafaritra ao amin’ny lalàna ihany koa (Levitika 14, 2) : "Mandehana misehoa amin’ny mpisorona". Ohatra tsara asehon’i Jesoa ho an’ny fanomezan-kaja sy hasina ny manam-pahefana sy ny mpisorona izany.

Voalazan’ny Evanjely teo ihany koa fa folo no sitrana, fa iray no niverina nankalaza an’Andriamanitra sy nisaotra an’i Jesoa nanasitrana azy. Samaritana io olona io. Izay ilay finoana : tsy manavaka foko na saranga na fiaviana fa iray lova ao amin’Andriamanitra isika rehetra rehefa mivelona ny finoantsika. Anisan’ny adidy lehibe ataontsika mpino kristianina ny mankalaza sy misaotra an’Andriamanitra isan’andro alohan’ny hatory amin’ny nitarihany ny androntsika tontolo ; na isan-kerinandro amin’ny fankamasinana ny alahady satria anisan’ny fanehoana izany no tokony hivavahantsika sy hankamasinana ny alahady ; ary i Jesoa aza indraindray dia mandidy mihitsy ny hanaovana fanatitra rehefa mba misy fahasoavana azo, koa aoka isika hahay hankasitraka an’Andriamanitra madrakariva amin’ny fahasoavana rehetra omeny na ataony amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...