Alahady 5 desambra 2021 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 1-6

Ry kristianina havana, entanin’ny litorjia isika amin’ity alahady faharoa amin’ny fiavian’ny tompo izao hoe "Matokia, mifalia fa Mpamonjy Andriamanitra". Raha vao miresaka hoe fahatongavan’ny Tompo tokoa manko dia avadiky ny sasany ho resaka mampatahotra izany ; toy ireny hoe mpandrava sy mpamono sanatria Andriamanitra. Mazava anefa ny Vaovao Mahafaly teo hoe : "Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra". Izany hoe Mpamonjy Andriamanitra fa tsy mpamono.

Matoa voarakitra ao amin’ny Evanjely ireo mpitondra fanjakana sy fivavahana tamin’izany fotoana dia entina milaza fa voamarina ara-tantara ny niainan’i Jesoa Kristy teto an-tany. Tsy nofinofy, tsy hoe tsindrimandry fotsiny fa voaporofo teo amin’ny tantara. Vokatr’izany dia hoe : tena izy koa ilay famonjena, tena misy koa ilay famonjena fa tsy hoe eritreritra na vinavina, fa tena misy ary tanteraka. Ary koa hoe ao anatin’io tontolon’ny olombelona io mihitsy no miditra an-tsehatra Andriamanitra.

Eo anatrehan’ireo fahefana sy hery, ireo i Joany sy i Jesoa, izay tsy fantatr’olona akory, mitory famonjena, mitory fanjakana hafa, fanjakana vaovao. Batemim-pibebahana no nataony antso avo satria izay no anombohana ny fanjakan’Andriamanitra. Fidiovana moa ny Batemy, fidiovana vatana, saina, fo, fanahy. Ny fibebahana kosa dia fitodihana manontolo any amin’Andriamanitra. Fanomanana ny olona handray an’Andriamanitra no anton’izany.

Amboary ny lalan’ny Tompo. Izay no hafatra. Omano ny olona handray ny Tompo. Izany hoe aleo ho tonga eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra ; aleo hanjaka Andriamanitra. Mampahatsiahy ny fampianaran’ny Papa Joany Paoly II tamin’ny 1979 hoe : "ny olombelona no lalan-kizoran’ny Eglizy". Satria ny Eglizy no manohy ny asan’i Kristy mitondra ny famonjena ho an’ny olombelona. Fandinihana ny mistery fahatongavana ho nofo ny fiaviana, ka aoka ho tonga nofo eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Tenin’Andriamanitra. Ny fibebahana, ny fidiovana no fomba voalohany handraisana ny famonjena. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...