Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 4-5a. 12-14a. 16)

Homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe:

‘Izao no lazain’ny Tompo:
Rehefa tapitra ny andronao,
ka mandry amin’ny razanao ianao,
dia hatsangako ny taranakao manaraka anao,
izay haloaky ny kibonao,
ary hohamafisiko ny fanjakany.
Izy no hanorina trano ho an’ny Anarako,
ary hohamafisiko ho mandrakizay
ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
Ho toy ny ray ho azy Aho,
ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy.
Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao
sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.’”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29)

Haharitra mandrakizay ny taranany.

Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.

Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!

Nanaovako fanekena ilay voafidiko,
i Davida mpanompoko, nianianako.
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!

“Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!”
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 13. 16-18. 22)

Nanantena izy na dia tsy nisy tokony hanantenany aza.

Ry kristianina havana,
tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany
fampanantenana handova izao tontolo izao,
fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Koa ny finoana no andovàna,
mba ho araka ny fahasoavana,
ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana,
dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany,
fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa,
satria raintsika rehetra izy,
(araka ny voasoratra hoe:
natsangako ho rain’ny firenena maro ianao)
eo anatrehan’izay ninoany,
dia Andriamanitra mpamelona ny maty,
sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Nino Izy,
fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza,
ka tonga rain’ny firenena maro,
araka ny voalaza taminy hoe:

“Ho tahaka izany ny taranakao.”

Koa notanana ho fahamarinany izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)

Dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy i Josefa.

I Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria
izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Josefa vadiny,
noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baraka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao ankibony
dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony
ho afaka amin’ny fahotany.”

Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Josefa
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)

Inty rainao sy izaho malahelo mitady Anao.

Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa,
dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;
ka nony efa roa ambin’ny folo taona i Jesoa,
dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo,
ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy,
dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely,
nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany.
Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy,
ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy
tamin’ny havany sy ny olom-pantany;
ary nony tsy nahita Azy,
dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

Ary nony afaka hateloana,
dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy,
nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra
ka nihaino sady nanontany azy,
ary talanjona izay rehetra nandre Azy,
noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga,
ary hoy ireniny taminy:

“Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay?
Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.”

Fa hoy Izy taminy:

“Nahoana no nitady Ahy ianareo?
Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?”

Saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy.
Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...