Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)

Nakarina teo anatrehan’izy ireo Izy.

Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”

Fa hoy ny navaliny azy ireo:

“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.

Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:

“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby, ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)

Napetraky ny Ray eo ankavanany any an-danitra Izy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:

“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...