Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 8, 2-3. 14b-16a)

Nanome hanina izay tsy fantatrao sy ny razanao ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Tsarovy ireo lalana rehetra
izay nasain’ny Tompo Andriamanitrao nandehananao tany an’efitra,
nandritra ny efapolo taona izao,
mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao,
dia hahalalany izay hevitra ao am-ponao,
na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Nampietry tena anao Izy, sy namela anao ho noana,
ary namahana anao tamin’ny mana,
izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao,
mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa izay rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
Aza hadinoina ny Tompo Andriamanitrao,
Izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta,
tamin’ny trano fanandevozana.
Izay nitondra anao tany an’efitra lehibe sy mahatahotra,
misy bibilava mivaivay sy maingoka,
amin’ny fitoerana ngazana sy tsy misy rano;
Izay nampiboiboika rano ho anao avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
Izay nanome mana hohaninao tany an’efitra,
dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 147, 12-13. 14-15. 19. 20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema;
derao ny Andriamanitrao, ry Siôna:
fa ny vavahadinao ataony tsara hidy,
ny zanakao anivonao tahìny.

Ny faritaninao fenoiny fiadanana,
izaitratra sy fy ny vary omeny anao.
Alefany eto an-tany ny teniny,
ka miriotra mitety ny tontolo.

Nambarany tamin’i Jakôba ny teniny,
tamin’i Israely ny didy aman-tsatany:
tsy nanaovany izany ireo hafa firenena,
ny satany tsy mba nasehony an’ireny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 16-17)

Iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza.

Ry kristianina havana,
moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika,
tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va?
Ary moa ny mofo izay vakìntsika,
tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Satria iray ihany ny Mofo,
ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza,
fa Mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna,
Hobio sy antsao ny Kiadinao
sy Mpifehy anao.

Mikezaha araka izay tratry ny ainao,
satria ambony noho ny dera rehetra Izy,
ka tsy ampy hidera Azy ianao.

Ny deraintsika anio indrindra
dia ilay Mofo velona,
ilay Mofo manome aina.

Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo
araka ny efa fantatsika,
tamin’ilay Fanasana farany.

Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika
ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino,
aoka ny hafaliantsika ho tsara.

Satria ilay andro malaza
namoronana io Fanasana masina io
no deraintsika anio izao.

Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany
dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao
no misolo ny Paka taloha.

Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha;
ny marina mampisava ny aloka,
ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.

Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva
dia nodidiany hatao
ho fahatsiarovana Azy.

Ny nataony no arahinay
ka dia manamasina ny mofo sy ny divay
hanjary ho sorom-pamonjena izahay.

Teny finoana ho an’ny kristianina
no ahatongavan’ny mofo ho Nofo,
sy ny divay ho Ra.

Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao
dia ampiaiken’ny finoana velona,
na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.

Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa
endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony
no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.

Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro,
fa ny endrika roa dia samy misy
ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.

Tsy tapaka izy, tsy mivaky,
tsy saratsarahin’ny mpandray
fa raisina manontolo.

Na olona iray na olona arivo no mandray
dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray
mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.

Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy
fa tsy mitovy izay anjarany:
na ho fiainana izany na ho fahafatesana.

Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy,
ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy:
endrey ity tsy fitoviam-bokatra
nefa hanina iray ihany no hanina!

Ilay vakìna iny ny endrika
dia aza misalasala ianao fa tsarovy
fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky;
dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.

Ny Tena izay takon’ny endrika
dia tsy vaky akory;
ilay endrika hita maso ihany no motika
fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

Indro Ilay Mofon’ny Anjely
manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny:
tena sakafon’ny zanaka tokoa
ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.

Efa voatandindona fahiny izy,
na tamin’i Isaaka natao sorona,
na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka,
na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona,
mamindrà fo aminay,
aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay,
ary aoka Ianao hampahita anay ny soa
any amin’ny tanin’ny Velona.

Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra,
ka mamahana anay eto an-tany;
koa eto izahay miara-misakafo aminao,
ka dia tongavy ho mpiray lova,
sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo;
izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo,
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...