Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 1-6)

Hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao.

Mihainoa ahy, ry nosy;
mitandrema ianareo, ry firenena lavitra!
Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka,
efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
Nataony sabatra maranitra ny lelako;
nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho,
nataony zana-tsipìka maranitra aho,
nafeniny tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
Ary hoy Izy tamiko:

“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako.”

Dia hoy kosa aho:

“Foana ny nisasarako;
zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.”

Fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako,
ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.
Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
Hoy Izy:

“Mbola zavatra kely foana no maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 138, 1-3. 13-14ab. 14d. 15

Midera Anao aho, fa mahatalanjona Ianao.

Tompo ô, dinihinao aho
ka fantatrao tokoa!
Mipetraka aho, mitsangana: fantatrao;
mbola lavitra ny hevitro dia tsinjonao.
Voadinikao aho na mamindra na miato;
tsy misy manavao Anao ny momba ahy.

Ianao nahary ahy tongotra aman-tanana
sy namboatra ahy tao an-kibon’ineny:
midera Anao aho izay voaarinao,
izay asan-tananao mampitolagaga.

Fantatrao manontolo ny tenako,
tsy niafina taminao ny momba ahy,
fony izaho niforona tao amin’ny miafina,
sy nitenona tao anatin’ny tany.

Vakiteny faharoa

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 22-26)

Talohan’ny nahatongavan’i Kristy dia nitory teny i Joany.

Tamin’izany andro izany, i Paoly nilaza hoe:

“I Davida no natsangan’Andriamanitra ho mpanjakan’ireo razantsika,
fa izy ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:

‘Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitrapoko rehetra’.

Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:

‘Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy ao aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho’,

Ry havana taranak’i Abrahama,
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra:
handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)

Joany no anarany.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany,
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana,
dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany.
Fa niteny ireniny nanao hoe:

“Tsia, tsy izany,
fa hatao hoe Joany izy.”

Fa hoy izy ireo taminy:

“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”

Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fafana izy ary nanoratra hoe:

“Joany no anarany”; ka gaga daholo izy rehetra.

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea
izany zava-mahatalanjona rehetra izany.
Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe:

“Ho inona re, ity zaza ity?
Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.”

Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza,
ary nitoetra tany an’efitra,
ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...