Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 1-11)

Fantatro ankehitriny fa nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana
ny sasany anisan’ny Eglizy.
Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany,
dia nasainy nosamborina koa i Piera.
Andron’ny azima tamin’izay.
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina,
ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra,
misy miaramila efatra avy;
fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera
dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.

Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy,
raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera,
sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa,
ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana
namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina;
nanohina ny tehezan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe:

“Mitsangàna faingana”;

dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy.
Ary hoy ilay Anjely taminy:

“Ataovy ny fehikibonao ary fehezo ny kapanao.”

Dia nataony izany, ka hoy indray ny Anjely:

“Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.”

Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy;
tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely,
fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy,
dia tonga tao amin’ny vavahady vy fidirana ao an-tanàna;
nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo,
dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera ka nanao hoe:

“Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo,
ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Ny Anjelin’ny Tompo mamonjy izay matahotra Azy.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana,
ny tavanareo tsy hangaihay;
ity ory velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo re fa mamy ny Tompo:
ary sambatra ny olona mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 6-8. 17-18)

Hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

Ry zanako malala,
izaho dia mova tsy ny efa haiîdina ho fanatitra sahady,
ary efa antomotra ny andro hialako.
Niady ny ady tsara aho,
nahatanteraka ny fihazakazahana aho,
nitahiry ny finoana aho;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana,
izay homen’ny Tompo Mpitsara marina ahy amin’izany andro izany,
ary tsy ho ahy ihany,
fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Nilaozan’ny olona aho, nefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorianteny
sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy,
sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Hanafaka ahy amin’ny asan’ny ratsy rehetra ny Tompo,
ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra.
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
raha tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny Mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa,
ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany
dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany
dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...