Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 4, 7-15)

Entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
siny tany no itondranay ny rakitry ny fahasoavan’Andriamanitra,
mba hiharihary fa avy aminy ny halehiben’ny herin’ny Evanjely,
fa tsy avy aminay.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery;
ampahorìna, nefa tsy mamoy fo;
enjehina, nefa tsy afoy;
azera, nefa tsy toro;
entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa,
mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.
Fa na dia velona aza izahay,
dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa
mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.
Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay,
fa ny fiainana kosa ao aminareo.
Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe:

“Nino aho ka niteny”,

dia mino koa izahay, ka miteny.
Satria fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona,
dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa,
sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany,
mba homena be ny fahasoavana,
ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Izay mamafy amin-dranomaso, mijinja amin-kafaliana.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay!

Takoritsika re izao nataon’ireo firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!”
Eny lalina ho aho, itý nataon’ny Tompo taminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay!

Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo,
ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana!

Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo, velon-kira;
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao,
mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)

Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa.

Tamin’izany andro izany,
dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy,
ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.

“Inona no irinao?”

hoy i Jesoa taminy.
Dia hoy izy:

“Aoka ireto zanako roa lahy ireto
mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray,
ao amin’ny fanjakanao.”

Dia hoy ny famalin’i Jesoa:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo.
Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?”

Hoy ireo taminy:

“Efanay ihany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa;
fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako,
dia tsy Ahy ny hanome anareo izany,
fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.”

Ary nony nandre izany izy folo lahy,
dia tezitra tamin’izy mirahalahy.
Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy,
ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo;
fa izay te-ho lehibe aminareo kosa
no aoka ho mpanomponareo izy,
ary izay te-ho lohany aminareo,
no aoka ho mpanomponareo:
dia tahaka ny Zanak’olona izany;
fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...