Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 9-10. 13-14)

Fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny mpitsara ka novelariny ny boky.
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso izy nankeo amin’ilay anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fahefana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena
sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fifehezana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fifehezany
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 96, 1-2. 5-6. 9

Handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny olon-drehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany.

Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany;
ianareo nosy maro, mifalia.
Ny manodidina Azy: rahona sy zavona;
ny ijoroan’ny fiketrahany dia ny rariny sy ny hitsiny.

Ny vohitra mitsonika tahaka ny savoka
noho ny Tompon’ny tany tontolo.
Ny lanitra manambara ny fahamarinany,
ireo vahoaka mahita ny voninahiny.

Fa Ianao tokoa no avo indrindra,
Ianao ambonin’ny tany tontolo,
avo lavitra noho ireo andriamanitra.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pier. 1, 16-19)

Ary renay io feo avy tany an-danitra io.

Ry hava-malala,
tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay,
raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.
Endrey izany haja amam-boninahitra nomen’Andriamanitra Ray Azy,
raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’ny voninahitra lehibe nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra.”

Ary renay io feo avy tany an-danitra io,
raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana,
izay tsara raha dinihinareo,
fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany,
mandrapipoaky ny andro,
sy iposahan’ny kintana fitarik’andro ao am-ponareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko,
henoy Izy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.

Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny,
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy;
ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro,
ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.
Ary indro niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe:

“Tompo, mahafinaritra ny mitoetra aty;
ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo aty,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”

Fa raha mbola niteny izy,
dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo.
Ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra:
henoy Izy.”

Nony nandre izany ny mpianatra,
dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra.
Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy,
ka nanao taminy hoe:

“Mitsangàna, fa aza matahotra.”

Nony niandrandra izy ireo,
dia tsy nahita afa-tsy i Jesoa irery.
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra Izy,
dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo:

“Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo,
ambara-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...