Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer 1, 17-19)

Lazao aminy izay rehetra handidiako anao, ary aza mangovitra eo anatrehany.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpifehy eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Hiady aminao izy nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17

Ny vavako mitanisa ny vonjinao.

Ianao no ifefeko ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay mandrakizay!
Afaho noho ny fahamarinanao;
itongilano sofina ka vonjeo!

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato
sy toera-mafy ho ahy, Andriamanitra ô!

Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’ineny, Ianao no Mpiaro ahy.

Ny fiderana Anao tovonako hatrany;
ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô! mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 6, 17-29)

Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.

Tamin’izany andro izany,
i Herôda dia naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao”.

Ka tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina
ka narovany sady narahany hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.

Ary tonga ny andro tsara,
dia ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny
sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:

“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”.

Sady nampiany tamim-pianianana hoe:

“Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza”.

Dia nivoaka razazavavy,
ka nanontany an-dreniny hoe:

“Inona no hangatahiko?”

Ary hoy reniny:

“Ny lohan’i Joany Batista”.

Dia nidododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:

“Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista”.

Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianana sy noho ireo olona niara-nihinana taminy
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy,
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

— Izany àry ny tenin’Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...