Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 7, 2-4. 9-14)

Nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra.

Izaho Joany dia nahita Anjely iray hafa,
niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro,
nitana ny fitombok’Andriamanitra velona
ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra
nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina,
nanao hoe:

“Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo,
mandra-panisinay fitomboka
eo amin’ny handrin’ny mpanompon’ny Andriamanitsika”.

Ary reko ny isan’izay voaisy fitomboka tamin’ny fokon’i Israely rehetra,
ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy.
Nanaraka izany,
dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho,
avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena
ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra,
nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry,
miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe:

“An’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
sy ny Zanak’ondry ny famonjena!”

Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana
sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra,
ny Anjely rehetra,
ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana,
nitsaoka an’Andriamanitra nanao hoe:

“Amen!
An’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay
ny dera amam-boninahitra,
ny fahendrena amam-pankasitrahana,
ny haja amam-pahefana ary ny hery!”

Tamin’izany ny iray tamin’ireo Anti-dahy
anao tamiko hoe:

“Iza moa ireo miakanjo fotsy,
ary avy aiza no niaviany?”

Dia hoy ny navaliko azy:

“Ianao no mahalala, Tompoko”.

Ary hoy izy tamiko:

“Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe,
nanasa sy nanadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry .

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no dimbin’ireo izay nizaha ny Endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy teo ambony ranomasina,
nampitoetra azy teo ambonin’ny ony.

Iza no hiakatra ao am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina ao an-toerany masina?
Izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.

Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.

Vakiteny faharoa

Taratasy Voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 1-3)

Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika.

Ry hava-malala,
endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika,
amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra
sady tena zanany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry hava-malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy
dia manadio ny tenany mba ho madio tahaka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka Azy,
dia niakatra teo an-tendrombohitra,
ary rehefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy,
fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany,
fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana,
fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo,
fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo,
fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana,
fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny,
fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina
ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo,
fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...