Vaakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 1-11)
Indro ny Tompo Andriamanitra fa tonga amin’ny heriny.
Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy:
fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
“Misavà lalana any an'efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra, ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka, ary ny vato mideza ho lembalemba”.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.
Injay misy feo manao hoe:
“Miantsoa!”
Dia nisy namaly hoe:
“Ahoana no antso hataoko?” —
“Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny voan-javatra eny an-tsaha ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo”.
Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra.
Lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:
“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fifehezana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 103, 1b-2. 3-4. 24b. 25. 27-28. 29-30
Misaotra Anao, Tompo, ny fanahiko, fa lehibe indrindra Ianao.
Fiandrianana sy voninahitra no itafianao,
hazavana no lamba ihodidinanao,
ny tranolainao dia ny lanitra mivelatra,
ny rihana fonenanao dia ny tampon’ny rano.
Ny rahona no ataonao kalesy,
ny elatry ny rivotra no isosànao;
ny rivotra no irakirakao;
ny tselatra, mpanompo kelinao.
Ny tany, henika ny harenao;
ny ranomasina indro lehibe sy malalaka,
mihelotrelotra no tsy tambo hisaina
na biby madinika na biby vaventy.
Ny manana aina rehetra miandry Anao
hamahana azy amin’ny fotoana;
Ianao manome, izy mandray,
ny tananao misokatra no mahavoky azy,
Manafin-taba Ianao, mipenimpenina izy;
ny fofon’ainy alànao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tito 2, 11-14 ; 3, 4-7)
I Kristy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray.
Ry havako malala, efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra,
loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao;
fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika,
dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-Tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra,
sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa,
sady fatra-pitia ny asa soa rehetra...
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony.
Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray,
sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay nampidininy be dia be tamintsika,
tamin’ny alalan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika,
ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia, aleloia.
Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy."
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 15-16. 21-22)
Nisokatra ny lanitra tamin’i Jesoa natao batemy sy nivavaka.
Tamin’izany andro izany,
raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:
“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano,
fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo”.
Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa,
ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra;
ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromailala,
dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe:
“Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.